Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Ambohimahasoa : Dinan’ny fampianarana

Mandoa Ar. 10.000 izay tsy mampiana-janaka

jeudi 4 octobre 2007 |  551 visites  | Hery A.

Voasazy izay olona manan-janaka tokony hianatra, nefa tsy ampidirina an-tsekoly. Io no dina vaovao santarin’ny mponina ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa amin’izao fanombohana ny taom-pianarana 2007-2008 izao.

Sandaina Ar. 10.000 tokoa izany arak’ity dina napetraka isaky ny kaominina ity. Ny antony moa dia ny hanenjehana ny tarigetran’ny MAP, dia ny hampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra.

Tsy ampy ny sekoly sy ny mpampianatra

Ny tena niavian’ny hevitra aloha tsy fantatra fa manomboka eo amin’ny ben’ny tanàna no mametraka ny dina, ka na mahatsapa aza ireto farany fa tsy ampy ny mpampianatra sy ny fotodrafitrasa any an-toerana, dia natao tery vay manta amin’ity fanasaziana ity ny vahoaka. Mbola ny fikambanan’ny ray amandrenin’ny mpianatra koa anefa no miantoka ny karaman’ny mpampianatra amin’ny ankapobeny mihitsy, ankoatry ny vola aloa (« droits »).

Mahantra ny vahoaka

Tsy takona mihitsy ny fahantrana raha ny sekolim-panjakana no resahina. Saika ny zanaky ny tsy manam-bola no misisika amin’izy ireny, nefa efa mila ho ny FRAM avokoa no ; miahy azy ireny. Manaporofo izany rehetra izany ny tsy ahitana zanaky ny mpitondra fanjakana any amin’ny sekolim-panjakana na iray aza, raha tsy eny amin’ny ambaratonga ambony angaha no ahitana vitsy dia vitsy.

Azo antoka fa hiparitaka manerana ny nosy indray ity dina hafahafa ity, mba tsy hilazana hoe an-kafetsena.

Ny fanamarihana farany dia toa tsy manana traikefa firy ny mpampianatra karamain’ny FRAM raha oharina amin’ireo mpiasa raikitra, nefa moa efa saika ireny karamain’ny FRAM ireny avokoa no mampianatra eny amin’ny EPP.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS