Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 05h33
 

Malagasy

Toamasina : « Festival avy letchis ê »

Hasongadina ny kolotsaina sy fizahan-tany

vendredi 12 octobre 2007 | Hery A.
Fototry ny fihaonana ny « Festival letchis » e !

Ho tanterahina ao Toamasina amin’ny faha 9 -10 ary faha 11 novambra izao ny hetsika « Festival avy letchis ê » izay ahitana hetsika aram-panatanjehantena, kolotsaina, ekonomika, natao indrindra ho an’ny tontolon’ny fizahan-tany, manana tanjona ho amin’ny teny filamatra hoe « Fihavanana », ary ny tanjona rahateo moa dia ho fampaharetana sy hanafaingana ny fampandrosoana.

Tafajoro ny komity mpikarakara ny hetsika izay ahitana ny filohany atoa Ramananjatovo Georges, mitarika ireo mpikambana izay avy amin’ny sampan-draharaha samihafa, toy ny ao amin’ny tontolon’ny fizahan-tany, ny fampandrosoana ankapobeny.

Tena tompon’ny hevitra kosa ny faritra atsinanana, ny kaominina Toamasina I, ny ORTT (Office régional du tourisme ary ny GITH (Groupement interprofessionnel de l’hôtellerie et du tourisme).

Tanjona amin’ity ihany koa ny fitarafana ny faritanin’ny Toamasina, sy ny tantarany manoloana ny fizahan-tany ka natao indrindra ho fampahafantarana ity Toamasina ity ny hetsika ka efa voapetrapetrak’ireo komity mpikarakara ny fomba fiomanana rehetra.

Indray mijery

Amin’ny ankapobeny dia efa vonona ny mety ho endriky ny hetsika. Ny andro voalohany dia hosokafana amin’ny karnavaly mamakivaky ny tanàna, arahan’ny kabary samihafa, ary hiavaka amin’io andro voalohany io ny varavarana misokatra ho an’ny tontolon’ny letchis, izay hiandrasana ny mpandraharaha teratany vahiny sy malagasy, ary ny mpianatra. Ny andro faharoa kosa dia hisongadina ny fitsidihana ny toerana manintona ny mpizaha tany ary ny andro farany no hanaovana ny famaranana amin’ireo fifaninanana isankarazany sy fizarana loka.

Ankoatr’ireo dia hisy isan’andro ny hetsika ara-kolotsaina sy fanatanjahantena, ny fampirantiana sy seho artistika, ny fampisehoana randrana, fifaninanana vakodrazana sns... Ny mpiara-miasa efa fantatra aloha izay hanagana tranoheva amin’ny hetsika dia ny CNLS sampan-draharaha miady amin’ny SIDA, ny ONN misahana ny fanjaria-tsakafo ary ny HIP izay misahana ny aram-pahasalamana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS