Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Atsimondrano : Vaky ny « digue » eny Ankazotoho

Traboina sahady ny mponina

mercredi 14 novembre 2007 |  598 visites  | Hery A.

Tandindonin’ny tondra-drano sahady Antananarivo na dia mbola tsy tena ao anatin’ny fahavaratra aza ny vanim-potoana. Ho an’ny faritra iva sy aty ampovoan-tanàna toy ny eny Ankorondrano sy ny manodidina dia efa misy ny rano mihandrona aorian’ny fiavian’ny orana isan-kariva.

Taorian’ny orambe tamin’ny alahady hariva teo dia nisy sahady ny ampahana « digue » vaky eny Ankazotoho, ao anatin’ny kaominina Tanjombato,distrikan’Antananarivo atsimondrano. Traboina ny mponina amin’ny trano sasany ao amin’ity fokontany ity ka miantso vonjy sahady. Efa niboiboika nandifotra ny faritra iva ny fahavakisan’ity fefiloha ity izay mbola azo vonjena haingana mba tsy hitatra.

Ity tananan’Ankazotoho ity moa dia lasibatra voalohany isaky ny fahavaratra. Ity no toerana betsaka traboina indrindra amin’iny distrika atsimondrano iny, ka raha tsiahivina ny tondra-drano tamin’ny rivo-doza farany teo dia an’arivony ny traboina, izany hoe saika ny iray fokontany mihitsy. Ny CSB II Tanjombato no nandraisana azy ireo ary tamin’ny farany teo iny dia nataon’ny mpamonjy voina izay nialan’ny mponina rehetra teny an-toerana. Isan-taona mantsy dia maro ireo mponina tsy mety miala amin’ny tananany, noho ny fandriampahalemana, ka ny vokany dia nisy ny namoy fananana toy ny biby fiompy sy ny fambolena izay efa potiky ny rano rahateo. Etsy andaniny dia nisy fiakarana ny renirano ka ny reniranon’Ikopa dia fantatra tamin’ny maridrefy tetsy Anosizato fa niakatra 3,5m ny rano, raha eo amin’ny 2 m latsaka eo ny andavanandro. Ny reniranon’Imamba kosa dia tafakatra hatrany amin’ny 4 m mahery. Amin’ny ankapobeny dia mbola tsy mahafeno ny fenitra loza fanairana izany, nefa tokony hanomboka hitandrina ny mponina manamorona ireo renirano ireo. Izao indrindra no fotoana tokony hampisehoan’ireo kandida ben’ny tanàna ny traikefany ka hampidirany haingana ao anatin’ny programan’asany ny famonjena ny traboina izay tsy maintsy misy isan-taona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS