Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 08h25
 

Malagasy

Toamasina : Vono olona tao amin’ny hotely

Nolavin’ny fitsarana ny fiampangana an’i Zakahely Boniface

samedi 3 novembre 2007 | Hery A.

Afaka noho ny fisalasalana izy 4 mianadahy mpiasan’ny hotely iray teny Salazamay ao Toamasina izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny nahafaty ny mpiambina ny loholon’i Madagasikara atoa Velo Arsene. Nandoa onitra ar 3 alina kosa ny mpiasan’ny hotely iray izay tsy nandray ny anaran’ny mpanjifa miditra ao amin’ny hotely iasany. Raha tsiahivina ny tantara dia maty nisy nitifitra tao amin’ity hotely ity mpiambina ny loholon’i Madagasikara Velo Arsene ity tamin’ny alin’ny faha 20 martsa lasa teo. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo no nivoaka ity didim-pitsarana ity izay tsiahivina ihany koa fa nanambaran’ny loholona Velo Arsene fa ny solombavambahoaka teo aloha atoa Zakahely Boniface no nampaniraka olona hamono ny tenany ka izao nahafaty ny mpiambina azy izao. Nolavin’ny fitsarana io fiampangana io noho ny porofo tsy mazava.

Mbola tsy nahazoam-baovao moa ny mpitory mahakasika ny fampakarana fitsarana ambony, amin’izao didim-pitsarana nampisalasala izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS