Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Hery Rafalimanana : filatsahan-ko fidiana

« Tsarao amin’ny asa efa vitako aho ! »

mercredi 7 novembre 2007 | Hery A.

Ny filoha nasionalin’ny antoko TIM atoa, Randriasandratriniony Yvan no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy an’atoa Rafalimanana Hery PDS tananan’Antananarivo amperinasa ho mpitarika ny lisitry ny kandida TIM ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra ho avy izao. Omaly no nambara tamin’ny fomba manetriketrika ity fanolorana ny kandida TIM ity ka nampatsiahivan’ny kandida Hery Rafalimanana ny zava-bitany tao anatin’ny 8 volana namindrana ny fitantanana taminy. « Tsarao amin’ny asa efa vitako aho » hoy ny tenin’ny kandida raha nandray fitenenana izy, taorian’ny fampisehoana ny santionan’ny zava-bitany tamin’ireo mpanatrika nameno ny tranobe fivorian’ny TIM etsy Ankorondrano. « Nahazo tsodrano tamin’ny filoham-pirenena sy ny birao politika ary ny mpikambana TIM ny tenako » hoy ihany ny kandida ka tsy ny asa fampandrosoana ihany no imasoana fa ny fihainoana ny feon’ny vahoaka koa dia zava-dehibe hahafantarana ny zavatra ilainy. Niandry ny programan’asa vaovao ny mpanao gazety, saingy nambaran’atoa Rafalimanana fa tsy fotoanan’ny propagandy izao, fa amin’ny fampielezan-kevitra dia hampahafantatra ny tetik’asany ny kandida. Ny hany teny nandreseny lahatra ny vahoakan’Antananarivo dia ny efa maha amperinasa azy, raha toa ka vao hiainga ny kandida hafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS