Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Tsiroanomandidy : Halatra omby

Mampandre ny hiaviany ny dahalo

mardi 9 octobre 2007 |  759 visites  | Hery A.

Amin’ny alakamisy ho avy izao, amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no ho tonga hanafika ao amin’ny tanànan’ny Tsaratanàna, anatin’ny distrikan’ny Tsiroanomandidy ny dahalo mpangalatra omby. Taratasy voarain’ny mponina ao amin’ity tanàna ity, tamin’ny faran’ny herinandro teo ity mampisavoritaka saim-bahoaka ity satria efa fihantsiana ankitsirano tsotra izao, toy ny tany tsy misy fanjakana.

Naverin’ny resaka politika ny halatra omby

Tao anatin’ny taona vitsy dia tsy faritra mena intsony i Bongolava amin’ity resaka halatra omby ity noho ny ezaky ny mpitondra vaovao. Sambany no nisian’ny « Angaredona » famongorana ny halatra omby ary tsikaritra sy niaraha-nahita fa nihena izany. Ny distrikan’i Fenoarivobe ohatra dia tena efa tsy andrenesana firy an’izany halatra omby izany intsony, raha tompon-daka tamin’ny fanafihan-dahalo taloha. Noho ny disadisa politika anefa dia nilentika ho azy ny angaredona. Loholon’i Madagasikara iray no efa nivoy ny fanajanonana ity ady amin’ny halatra omby ity, ary tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana farany teo dia nanentana ny olona nampiato ny angaredona mihitsy izy na dia tsy kandida aza. Vokany dia mirongatra indray ny halatra omby ao Tsiroanomandidy sy Kiranomena ka tao anatin’ny tapabolana dia omby miisa 500 no very.

Ho an’ny mponina any amin’iny faritra Bongolava iny dia seho efa nahazatra azy ireo izany, saingy taloha tamin’ny fisehoan’ny hafanana politika. Mampandre ny fiaviany ny dahalo, ary tonga tokoa tamin’izany fotoana izany. Araka ny vaovao azo dia mino ny ho fahatongavan’izany dahalo izany ny mponina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS