Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h31
 

Malagasy

« Bois de rose » : Fanondranana an-tsokosoko

Olona maro no mbola karohana

vendredi 26 octobre 2007 | Hery A.

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ilay mpandraharaha tompon’andraikitra tamin’ny famoahana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy « bois de rose » avy any amin’ny distrikan’ Antalaha, nokasaina haondrana any ivelany ka saron’ny ladoany tao Toamasina.

Miandry ny fitsarana azy ity olona voarohirohy ity mandram-pahita an’ireo olona maro mbola voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Hazo sarobidy miisa 4300 no sarona tao Toamasina ka olona 3 lahy no nividy azy ireo. Karohina fatratra koa izy 3 lahy ireto. Fa ankoatr’izany dia maro ireo hazo sarobidy efa voaomana haondrana, miainga any Antalaha ka mbola maha voarohirohy olona maro ihany koa. Raha ny marina dia tambazotra matanjaka mihitsy ity manao afera ity ka eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina ny nahasaronana ity fanondranana hazo ity dia ilay voatana am-ponja amin’izao fotoana izao no tompon’ny hazo niainga tany Antalaha, ary ny 3 lahy izay karohina no nividy ary hanondrana izany any ivelany. Miampitampita toy izany ny varotra mandrampahatafavoakany any ivelany. Tsy tapaka kosa ny fifandraisan’ireo mpitandro filaminana ao amin’ny ladoany, ny ao Toamasina sy ny any Antalaha, ary ny zandary amin’ireo làlam-pirenena mampitohy ireo faritra ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS