Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Antanifotsy : Antoko TIM

Nampihavanin’ny fitiavan-tseza

mercredi 17 octobre 2007 | Hery A.

Taty amin’ny resaka fifidianana vao hita taratra ny fifandraisana ambadiky ny ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka ao Antanifotsy ao, raha nisehoan’ny ady tsy takona nafenina nandritra ny fotoana nitondrany avy ka niantraika tany amin’ny fampandrosoana ankapobeny.

Tsy nisy tsy nahalala tokoa fa tsy nifanaraka loatra ity ben’ny tanànan’Antanifotsy ity sy ny solombavambahoaka. Efa samy nilaza ny roa tonta fa sarotra ny fiaraha-miasa. Nisy aza ny fotodrafitrasa vitan’ny ankilany nolazain’ny andaniny fa nopotehina noho ny resaka poltika.

Talohan’ny faha 26 jona 2005 no tena namaivay ny ady ka nahatonga ny lehiben’ny distrika nilaza ampahibemaso tamin’ny fankalazana io 26 jona io, teny amin’ny kianjan’Antobiniaro fa hiara-hiasa amin’izay ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Tsy dia hita loatra aloha ny asa niaraha-nanao nisongadina. Ny lalana ao antampon-tanana no nihavao izay marihana fa ny fandalovan’ny filoham-pirenena tany an-toerana no nahavitana an’io koa tsy afaka hirehareha amin’izany ireto mpanao politika ireto.

Nivadika ny rasa

Talohan’ny fifidianana teo anefa dia nakamban’ny seza politika izy roalahy ka na mbola tsy nahavita tatitra amin’ny vahoaka, ny zava-bitany nandritra ny nitoerany teo aza dia efa nanao veli rano ka nifanohana hihanoka amin’ny seza manaraka indray.

Azo antoka hoy ny loharanom-baovao fa tsy maintsy ho ben’ny tanàna ihany ity nitondra teo aloha ity, ary ny solombavambahoaka moa dia efa nahazo ny toerany, hanohy ny lalany.

Fomba fiady eo imason’ny lehibe

Anisan’ny nampiasa teknika fomba fitanana seza politika izay mpiseho eo anivon’ny TIM, manoloana ny fifidianana ny TIM ao Antanifotsy ka manafina amin’ny lehibe hoe tsy miady akory, toy ny etsy amin’ny Ivato seranana e ! Mihavana haingana sao tsy azo ny famatsiam-bola.

Ny zavatra efa hitan’ny vahoaka aloha, dia tsy niteraka fampandrosoana ny ady politika sy ny ady seza.

Efa nampanantena zavatra ho an’ny vahoaka ny solombavambahoaka vaovao nandritra ny fampielezan-kevitra nataony, ka ny ahian’ny mponina dia mbola ny « Teo Ihany no Miverina ». Tamin’ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida TIM indrindra ary no nahatsapan’ny vahoaka fa mbola any ankelika ny kobain’ny ady politika fa mody tsy miady fotsiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS