Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 11h11
 

Malagasy

Toamasina

Niakatra fitsarana indray i Zakahely

vendredi 5 octobre 2007 | Hery A.

Niakatra fitsarana indray ny raharaha nitorian’olona an’i Zakahely Boniface solombavam-bahoaka teo aloha, any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy iny. Raha tsiahivina aloha ny tantara dia ny nanondrahan’ity voarohirohy ity rano an’ireo mpaka sary tao amin’ny trano fandihizana iray any an-toerana. Araka ny vaovao azo dia narahana fifanjevoana izany ka namparatra ny sinoa tompon’ilay trano fandihizana. Nitory ity farany ka voasazy 30 volana any am-ponja, sazy mihatona i Zakahely. Tsy nanaiky anefa izy ka nampakatra fitsarana ambony tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tonga tao amin’ny lapan’ny fitsarana ireo mpitory tany am-boalohany nahitana ireo mpaka sary sy ilay Sinoa tompon’ny trano fandihizana. Atoa Zakahely kosa tsy tonga fa ny mpisolo vava azy no nitondra ny fanazavana teo anatrehan’ny fitsarana.

Fantatra ary fa afaka 15 andro eo ho eo no hivoaka indray ny didim-pitsarana.
Araka ny vaovao azo ihany dia tsy fifankazahoana efa hatramin’ny taona 1998 tany ho any no fototry ny tsy fifanarahana ka hatramin’izao dia mbola mifandrirarira eny amin’ny tribonaly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS