Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 mai 2023
Antananarivo | 19h02
 

Malagasy

Analanjirofo : Fenoarivo atsinanana

Nisy nanafika ny biraon’ny faritra

jeudi 18 octobre 2007 | Hery A.

Ny alin’ny talata lasa teo dia notafihan’ny jiolahy miisa 10 nirongo fiadiana mahery vaika ny biraon’ny faritra Analanjirofo, ao amin’ny distrikan’ny Fenoarivo atsinanana ka vaky noho ny fifanandrinana tamin’izy 10 lahy ny lohan’ilay mpiambina ny biraon’ny faritra. Efa saika tafiditra tao amin’ny birao misy ny entana sarobidy, toy ny solosaina sy ireo fitaovana samihafa ireto jiolahy no tonga tampoka ny polisy. Rifatra nandositra ireo jiolahy ka mbola karohana hatramin’izao . Nisy ihany koa ny zavatra teny amin’ireo jiolahy, hadino teo am-pandosirana ka mety hanampy ny polisy amin’ny fikarohana.
Arak’izany dia miakatra an-tanàna indray ny dahalo any amin’iny faritra iny, ka rehefa samy mailo ny mponina dia any amin’ny biraom-panjakana ambony indray ry zalahy no manafika. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS