Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h13
 

Malagasy

Toamasina : « Festival avy letchi e ! »

Nifoha ny tontolon’ny fizahan-tany

mercredi 14 novembre 2007 | Hery A.

Nofohazin’ny « festival letchi » ny tontolon’ny fizahan-tany any amin’ny faritra atsinanana iny izay nokarakarain’ny mpikirakira fizahan-tany sy ny faritra atsinanana tamin’ny faha 9 novambra hatramin’ny faha 11 novambra teo. Na ny malagasy na ireo teratany vahiny dia nahazo ny tandrify azy. Nisongadina moa ny fampirantiana ny tontolon’ny letisia, ny fampirantiana ny tantaran’ny Toamasina sy ny sary taloha nampiavaka ity morontsiraka ity. Nisy ireo lalao isankarazany nentina nampisongadinana ny fizahan-tany ka anisan’izany ny « course de garçon café », ny « jeux de plage », ny fampirantiana trano fidiovana sy rano fisotro madio, ary ny kolontsainan’ny lafivalon’ny nosy. Ny fifidianana hatsaran-tarehin’ny zazavavy betsimisaraka no namaranana ny lanonana.
Santatra ambavarano iny hoy ny mpikarakara fa ato ho ato dia hamafisina ny fisintonana mpizaha tany amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireto toeram-pitsangatsanganana sy valanjavaboahary mampalaza ny faritra atsinanana. Ny komity mpikarakara moa dia mampitondra teny fisaorana ho an’ireo rehetra nandray anjara sy niara-nisalahy nahatanterahana iny hetsika nahitam-pahombiazana iny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS