Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 18h55
 

Malagasy

Toliara

Nirefotra tao amin’ny MAGRO ny grenady

mardi 6 novembre 2007 |  490 visites  | Hery A.

Nisy olon-tsy fantatra nanipy grenady ny MAGRO ao Toliara, omaly alatsinainy maraina tamin’ny 4 ora sy sasany teo. Araka ny vaovao azo dia nipoaka ity grenady mahafaty ity ka namotika ny fitaratra rehetra amin’ny rihana ambany amin’ny tranon’ny MAGRO. Roalahy no mpiambina ity tranombarotra ity ka zandary ny iray izay voalaza fa naratra nipitihan’ny potika grenady, ny iray kosa sivily izay tsy naninona.

Efa nijery ifotony ny raharaha ny mpitandro filaminana any an-toerana ka nahafantarana fa grenady mahafaty ity nisy nanipy ity.

Resa-be ao Toliara ity zava-niseho ity ka mandeha ny tombatombana amin’ny antony nipoahan’ity grenady ity amin’ny orinasan’olona mpitondra ambony eto amin’ny firenena. Resaka politika ve ? Sa lonilony fotsiny, sa niniana natao hanakorontanana saim-bahoaka ? Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no hamaly izany.

Miaro orinasa tsy miankina ny zandary

Araka ny fanadihadiana teny anivon’ny zandarimariam-pirenena dia azon’ny orinasa na fikambanana matanjaka atao ny maka zandary hitandro filaminana ao aminy, toy ity zandary naratra tao amin’ny MAGRO ity. Ar.1500 isan’andro no tambikaramany ary ny fangatahan’ny orinasa, atao an-taratasy no ahafahan’ny lehibe ao amin’ny zandary mandefa zandary hiambina ny orinasany. Raha tsiahivina dia tsy azon’ny zandary natao izany tamin’ny fitondrana teo aloha fa dia nisahana ny fandriampahaleman’ny tambanivohitra no nanokanana ny asany. Ankehitriny moa dia efa midina amin’ny tontolo ambanivohitra ny polisy, ka izao afaka miambina tanana an-drenivohitra izao koa ny zandary.

Raha samy misy mpitandro filaminana avy amin’ny fanjakana izay avokoa ny ankamaroan’ny orinasa MAGRO eto Madagasikara dia afaka manao izany koa ireo orinasa hafa rehefa maharaka ny fepetra takiana. Tsy ny orinasa ihany koa anefa no afaka maka zandary fa eo ireo mpanao lanonana, ny ANGAP, ohatra sns...

Mbola hisy moa ny tohin’ny fanadihadiana ity tsipy grenady ity ka entina eto amin’ny gazety ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS