Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Malagasy

Antsiranana : Ady tany

Handrava trano indray ny fanjakana

jeudi 11 octobre 2007 | Hery A.

Malaza ny ady tany any amin’ny faritra Diana iny, ka saika mibahana ny raharaha ao amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Hitoviana amin’ny faritra rehetra ny ady tany fa ity any Antsiranana ity dia miavaka satria trano efa vita baorina sy nandoavana hetra nandritra ny taona maro no voalaza fa tany manana tompony hafa indray.

Tsy maintsy ravàna ny tanàna

Nisy an’izany teny amin’ny oniversite ka efa nisy ny fangatahan’ny tompon’andraikitry ny oniversite ny fanesorana azy ireo. Ny sasany no efa niala fa ny sasany dia mbola miandry ny rariny noho ny fananany titra ara-dalàna. Torak’izany koa no zava-miseho eny amin’ny tanàna atao hoe Morafeno izay efa nanorenan’olona trano. Ny minisiteran’ny fahasalamana indray no tompon’ity tany ity ka tonga ny fotoana hangalany azy.
Efa ho fokontany iray no voakasik’ity eto Morafeno ity izay samy manana titra amin’ireo tany, efa nandoa hetra ihany koa nandritra ny taona maro.

Matoa moa sahy mitonona ho tompon’ny tany ireo sampan-draharaham-panjakana haka ny tany dia misy koa ny porofo sy taratasy manamarina izany. Ny zava-misy kosa dia mifandimby mivarotra ny tanim-panjakana ny mpitondra nifandimby tany aloha tany ka nanjaka tao anatin’izany ny risoriso. Nividy tokoa ny olona satria nahazo taratasy ara-dalàna, sy nekena hatrany ny nandoavany hetra, ka eo no olana. Hatramin’izay aloha dia mbola tsy nisy fanjakana namindra fo amin’ny fandravana trano izany, raha haka ny tany izay ilainy izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS