Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 21h56
 

Malagasy

PDS Hery Rafalimanana

Hiaro sy hanohy ny zava-bitany

mardi 6 novembre 2007 | Hery A.
Kandida Hery Rafalimanana.

Volana febroary 2007 no nanomboka nandraisan’atoa Hery Rafalimanana ny fahefana teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ka nanoloany toerana an’atoa Ramiaramanana Patrick izay voatendry ho minisitra. Volana vitsy taorian’ny nandraisany ny toerana PDS dia tsinjo sahady fa afaka hanohy ny tetik’asa efa napetraky ny fitondram-panjakana ny tenany. Ankehitriny dia kandida mitarika ny lisitra ao amin’ny antoko TIM eto Antananarivo renivohitra Hery Rafalimanana. Tsy ho tanisaina ny traikefa fa ny zava-bita kosa dia maro no naharesy lahatra ny mponin’Antananarivo. Tamin’ity taona ity no nahavitan’ny kaominina ny tetezana eny antetezana afovoany, ny tetezana Besarety, ireo tsena manarapenitra eny Anjohy, Ambohimanarina, Besarety sns...Ny fotoana rehetra mahavory olona dia nahitana ity PDS ity, nihaino ny hetahetan’ny vahoaka ka nahavitana ireo fotodrafitrasa maro eny amin’ny faritra iva. Ankoatr’izay moa dia efa samy nanambara ny programan’asany ireo kandida telo goavana eto Antananarivo, ka ny an’ny am-perinasa aloha no hita fa nahavanona ny tanàna raha tsy hiresaka afa-tsy ireo zaridaina eran’ny tanàna.

Amin’izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao moa dia mbola manao izay asa vitany ny PDS.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS