Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Malagasy

Fizahan-tany ara-nofo fampandraisana anjara ny ankizy

Ny tsy fananana mahazaka maniraka

jeudi 15 novembre 2007 | Hery A.

Tsy dia misy tarehi-marika raikitra ahafahana manao antontan’isa ho an’ny seho « fizahan-tany ara-nofo mampandray anjara ny ankizy » eto Madagasikara, fa ny fantatra dia miroborobo izy io eto amintsika. Tao anatin’ny dinidinika narahana ady hevitra niarahan’ny mpanao gazety mpikirakira ny zon’ny ankizy tamin’ny PFSCE « Plate forme de la société civile pour l’enfance », niarahana tamin’ireo « ONG Développement » avy any ivelany sy eto an-toerana no namantarana ny fototry ny faneken’ny zazavavy tsy ampy taona ny firaisana ara-nofo. Fantatra teo ihany koa fa tsy ny vahiny ihany no mpizaha tany manararaotra firaisana ara-nofo fa anisan’izany ny malagasy mamita iraka ivelan’ny tanàna onenany.

Anisan’ny antony haneken’ny zazavavy ihany koa ny tsy fananana ny ampy, ny tsy fahampian’ny fahaizana, ary ny fipetrahany amin’ny tokantrano mikorontana. Raha ireo no atambatra dia manome ny endriky ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna na tsy fidiny ho an’ny zazavavy.

Ondrana

Misy voambolana malagasy hoe « ondrana » izay midika ny sehon’ny fanolanana tsy misy rohim-pihavanana, nefa miara-monina, ohatra hoe ray kely manolana zana-bady. Endrika kosa ny hoe « fizahan-tany ara-nofo, mampandray anjara ny ankizy » izay toa misy fanerena mivantana na ankolaka.

Fanadihadiana avokoa no nahafantarana fa ny fanambadiana alohan’ny 18 taona dia matetika miainga amin’ny fampandraisana anjara ny ankizy eo amin’ny firaisana ara-nofo. Ratsy kokoa ny voka-dratsy satria araha vono sy herisetra. Torak’izany ny mpiasa an-trano.

Tsy mitovy lanja

Raha hiverenana ny fizahan-tany dia saika ny tera-tany vahiny manao firaisana ara-nofo amin’ny Malagasy na ankizy vavy eto an-toerana no mora hita ka heverina ho betsaka, nefa rehefa natao ny fanadihadiana dia ireo seho voatantara dia saika ny Malagasy no manao azy, izay tsy dia hita loatra na mora takotakonana satria ny ray amandrenin’ny ankizy vavy sasany ihany no mamporisika ny zanany, noho ny tsy fananana.

Zon’ny ankizy

Hanaovana hetsika manokana ny momba ny zon’ny ankizy amin’ny faha 20 novambra izao ka hanamafy ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra hiaro ny zon’ny ankizy tsy ho voahosihosin’ny fampandraisana anjara amin’ny firaisana ara-nofo. Inoana fa hanaiky ny tenin’ny filoham-pirenena ny Malagasy ka tsy hanambady raha latsaky ny 18 taona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS