Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 13h21
 

Malagasy

Ambohibary : Olan’ny zandary sy ny fokonolona

Ahiana ny hisian’ny korontana

mardi 16 octobre 2007 | Hery A.

Iray volana mahery izay no nitanana am-ponja ny tovolahy iray voarohirohy ho nanolana vadina zandary tany Ambohibary, anatin’ny faritra Vakinankaratra izay niteraka resa-be any an-toerana, satria tsy manaiky ny fiampangana ity zazalahy ity ny mponina sy ny sefo fokontany. Araka ny vaovao azo dia nosamborina ity tovolahy ity tamin’ny faha 12 septambra izay mpivarotra eo akaikin’ny biraon’ny zandary.

Voampanga nanolana ny vadina zandary tamin’ny faha 14 aogositra ny lehilahy, ka ny porofo nitanana azy dia ny kihony, izay tsy mazava loatra moa hoe nisy inona eo amin’ny kihony, ary marika inona no tavela eo tao anatin’ny 1 volana, mifandray amin’ny fanolanana. Nanamarika ny havan’ity tovolahy ity fa teo an-toerana foana ny tovolahy nefa tsy nisy fisamborana ka heverin’ireo fianakaviany fa famotehana ilay tovolahy fotsiny izao.
Hiakatra fitsarana ny raharaha ka ahiana ny hisian’ny korontana amin’ity raharaha ity. Nanamarika kosa moa ny mpanome vaovao fa zandary iray mitondra galona tsipika roa ity manampatra fahefana ity, ka efa fantatry ny fokonolona fa manao ny asany ara-dalàna ny zandary sisa. Mitana ny heviny hatramin’ny farany anefa ny mponina ka tsy hanaiky raha sanatria ka migadra ny havany.

Tsy lavitra loatra an’Ambohibary tokoa no misy an’i Faratsiho izay vao nahafatesan’ny olona maromaro ny zandary iray noho ny hatezerana tsy voahevitra. Mandeha ny fikarohana sy famotorana amin’iny raharaha iny amin’izao fotoana izao, ary tsy misy tsy mahafantatra iny raharaha nahatsiravina iny ny ao Ambohibary, mifanila vodirindrina amin’ny Faratsiho. Ireo zandary miasa any an-toerana moa dia tsy niditra lalina amin’ity raharaha ity satria efa eny anivon’ny fitsarana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS