Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Lozam-piarakodia

    Mahazo fanalefahan-tsazy ny mpamily mamo toaka

    jeudi 28 août 2008 | Hery A. |  612 visites
    Niteraka resa-be indray ny loza nataon'ny taxi-be 194 izay nandona olona teo Ankorondrano tamin'ny talata lasa teo. Alohan'izany anefa dia tsara ny mahafantatra fa tsy misy ahiana ny ain'ilay tovovavy 16 taona nofaohin'ity taxi-be 194 ity. Nozairina ny molony, ary mbola tsaboina ny faritra samihafa amin'ny tenany. Roa vavy no voadona tamin'io ka ny iray efa nalefa nody. Niandraikitra ny fikarakarana rehetra teny amin'ny hopitaly HJRA ilay mpamily. Etsy andaniny anefa dia vitsy ireo taxi-be (...)
  • Manakara

    Tsy mandova tany ny zanaka vavy

    mardi 26 août 2008 | Hery A. |  756 visites
    Noho ny fomban-tany sy fomban-drazana hatramin'izay dia ny 10 %n'ny vehivavy ao amin'ny distrikan'ny Manakara ihany no mba manana tany. Na eo aza mantsy ny lalàna manome ny zon'ny olona rehetra ho afaka mandova ny fananan'ny ray aman-dreniny dia noferan'ny fomban-drazana izany ka tsy mahazo mandova tany ny vehivavy na ny zanaka vavy io. Mazava ho azy fa an'ny lehilahy hatrany ny fandimbiasana ny anaran-dray any amin'ity distrika ity. Manoloana izany sy manoloana ny fitovian-jo eo amin'ny (...)
  • Fitaterana

    Zandary mandà familiana an-kavanana

    samedi 23 août 2008 | Hery A. |  750 visites
    Voatohintohina ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ity mpamily mpitondra mpizahatany vahiny iray, raha nosakanan'ny zandary teny am-pitondrana ireo vahiny. Nosakanan'ny zandary mantsy ny fiara nentiny ka nampisehoan'ny zandary boky kely iray ny mpamily. "Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ny fiara misy familiana any amin'ny an-kavanana" Lalàna manamafy an'io no nasehon'ny zandary ka dia nifanazava teo aloha. Nampahafantarin'ilay zandary fa nampiharina nanomboka tamin'ny faha 6 (...)
  • Mbola mandry tsy lavo loha

    vendredi 22 août 2008 | Hery A. |  443 visites
    Mitaky paik'ady iraisana ny tontolon'ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Tato anatin'ny taona vitsy nifanesy dia tena nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Ny halatra omby moa dia efa samy manana ny paik'ady ny isam-paritra. Ao ny nanao ny valabe, iandrasana ny omby tsy ho lasan'ny dahalo. Ao ny vata maintin'ny fandriampahalemana toy ny ao amin'ny faritra Bongolava. Santionany ireo, izay samy mba nahitam-bokany avokoa. Ny olana eto dia ny sakatsakana mahazo ireny hetsika manokana ireny. (...)
  • Tafiditra lalina…

    jeudi 21 août 2008 | Hery A. |  581 visites
    Tafiditra lalina amin’ny tontolo politika ny fiangonana FJKM amin’izao fotoana izao. Faritana amin’ny hoe « fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana », saingy toa ny olon’ny politika avokoa no avy aty amin’ny fanjakana, ary ireo birao sasany dia efa ela nihetezana rahateo, amin’ny fahaiza-miaraka amin’ny politikam-panjakana ; Tsara ny fitazana ny fiaraha-miasa nandritra iny 4 taona lasa iny. Nihazakazaka ny fifanampiana ka saika nanana endrika vaovao ny ankamaroan’ny fiangonana FJKM. Nisy (...)
  • Kaominina Andoharanofotsy

    Coiffure" iray, takiana vola ar 400 000

    lundi 11 août 2008 | Hery A. |  753 visites
    Mandalo eny amin'ny faritra atsimondrano eny ny fisafoana ny entana lany andro sy tsy ara-dalàna eny amin'ireny mpivarotra enta-manidika ireny. Savaina avokoa ny entana rehetra ka nahitam-bokany tokoa izany. Saika efa lany andro ireo entana amin'ny fivarotana enta-madinika, sy vaventy. Ny zava-pisotro, na amin'ny tavoahangy, na amin'ny zavatra hafa, ny biscuit, ny hena am-by fotsy sns... no tena betsaka lany daty, misy aza efa tamin'ny taona 2006. Ninia nivarotra izany ireo mpivarotra ka (...)
  • Anosibe

    Nifanehatra ny andian-jiolahy roa samihafa

    lundi 11 août 2008 | Hery A. |  600 visites
    Olona tamin'ny tokantrano roa samihafa no indray niantso vonjeo tamin'ny zoma alina nifoha sabotsy, tokony ho tamin'ny iray ora alina teo. Tao amin'ny tanàna iray ao Mandrangobato II, Anosibe no nisehoan'izany. Tsy fantatra na tarika iray ihany izy ireo na jiolahy andiany roa samihafa fa niara-nigadona ny antso vonjeo sy ny feon'ny kiririoka. Fianakaviana iray mpanamboatra vatomamy ny iray. Jiolahy miisa 5 eo ho eo no tazan'ny tompon-trano. Nisy nandona ny varavaran-kely saingy tsy sahy (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Fiara ratsy, vata-paty mandehandeha

    samedi 9 août 2008 | Hery A. |  703 visites
    Mibahana ny sain'ny maro ny tontolon'ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy tantaraina intsony ny resaka solika fa efa samy mahatsapa ny tokony hataony. Amin'ny ankapobeny aloha dia toa nanaitaitra ny mpitondra fanjakana ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato, na an-dranomasina io, na an-tanety. Saika aorian'ny loza hatrany vao hentitra ny fanjakana, hany ka izay tratra farany no tena manefa. Mitamberina indray ny fampatsiahivana ny lalàna velona izay efa nisy hatramin'izay. Ny teny (...)
  • Taxi-be 110

    Tsy mandray ny vola voasonian’ny governora taloha

    jeudi 7 août 2008 | Hery A. |  1084 visites
    Ny resaverana taxi-be indray izao no mampisahotaka ny mpandeha taxi-be, manoloana ny fiovan'ny sonia ataon'ny governoran'ny Banky foibe amin'ny vola taratasy. Raha oharina amin'ny sonia teo aloha, dia nisy fiovana ihany koa eo amin'ny soratra sy sary amin'ny vola taratasy Ar. 100 hatramin'ny Ar.10000. Misy amin'ireo taxi-be anefa no tsy mety mandray ilay vola nisy sonia teo aloha. Tsy avelan'ny patiraony mandray an'ireny hono izy, ka dia nolaviny ankitsirano izao. Sendra ity taxi-be 110 (...)
  • Teny zato kabary arivo

    Tsara fiaingàna...

    jeudi 7 août 2008 | Hery A. |  493 visites
    Varimbariana ve ny mpanohitra sa mbola itambesaran'ny alahelo noho ny fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika ? Tsy henoheno, mangingina...sa miketrika ? Fotoana fiomanana tokoa izao raha mbola hilomano maharitra ao anatin'ity tontolo politika ity. Tsy misy tanjona afa-tsy ny fifidianana amin'ny taona 2012. Efa niainga hatry ny ela ny antoko matanjaka eo ambany fiahian'ny manampahefana eto amin'ny firenena. Mandeha tsy misy mpanohintohina ny fanomanana. Voapetraka ny ankamaroan'ny (...)
  • Behoririka

    Ampiadian’ny sinoa ny mpivarotra amoron-dàlana

    mardi 5 août 2008 | Hery A. |  1086 visites
    Nanatanteraka ny grevy efa narangarangany ny mpivarotra miankin-drindrina etsy Behoririka, omaly vao maraina. Nitandahatra ny "banderole" sy ireo mpivarotra ka naneho ny heviny ampahibemaso teo. "Very asa sy tsy mihinan-kanina izahay", hoy ireo sora-baventy. Araka ny nambaran'ireo mpivarotra mpigrevy ary fa "efa iray volana izay ry zareo no tsy navela nivarotra amin'iny sisin-dalana Behoririka iny." Mpivarotra miisa 1500 eo ho eo ry zareo no nifanandrina tamin'ireo lehilahy am-polony (...)
  • Fpma-Paris sy ny FFPM

    Mitohy ny fanampiana anatin’ny ezaka

    samedi 2 août 2008 | Hery A. |  931 visites
    Notanterahina tamin’ny alakamisy 31 jolay 2008 teny Vohipiraisana Ambohijatovo biraon’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy) ny fanolorana ny fanampiana ao anatin’ny « ezaka Madagasikara » izay fanaon’ny Fiangonana Protestanta Malagasy any Andafy tafo Paris (FPMA-Paris) isan-taona, mba ho fanohanana ny asa misiona sy ny fitoriana ny Filazantsara,ka ordinateur, imprimante,camera numérique sy ny kojakoja samihafa ilaina ho fampandehanana ny Radio Protestanta eto Madagasikara no (...)
  • Rafim-pampianarana vaovao

    Ifandrombahana ny fidirana amin’ny sekolim-panjakana

    vendredi 1er août 2008 | Hery A. |  804 visites
    Na dia mbola sondriana ao anatin'ny fialan-tsasatra aza ny mpianatra amin'izao fahavitan'ny fanadinana bakalorea izao, dia efa miketriketrika kosa ny atidohan'ny ray aman-dreny amin'ny fanomanana ny fidiran'ny zanany an-tsekoly tsy ho ela. Efa fotoana tsy fanaovana fandaniam-poana intsony izao fa aompana tanteraka any amin'ny fanomanana fianarana ny vola sy harena ary ny eritreritra manontolo. Betsaka kosa ireo ray aman-dreny maniry ny hampiana-janaka amin'ny EPP saingy efa feno avokoa ny (...)
  • Fasan’ny Karana

    Mpanera hanao grevy faobe

    vendredi 11 juillet 2008 | Hery A. |  633 visites
    Manoloana ny tohin'ny fanamboarana ny fiantsonan'ny fiara amin'ny zotra rezionaly etsy amin'ny "Fasan'ny Karana" dia miatraika any amin'ireo mpanera sy mpitandro filaminana eny an-toerana ny fandroahana. Nanomboka tamin'ny alatsinainy no fantatra fa hofefena ity fiantsonan'ny fiara fitaterana ity, ka taorian'ny fivorian'ireo tompon'andraikitra dia tapaka fa olona 4 isaky ny koperativa ihany no mahazo miserasera amin'ity toby ity. Tsy misy afa-tsy ny sekretera anefa ireo olona 4 ireo ka (...)
  • BOA Toamasina

    Nivoha ny coffre, very ny Ar. 250 tapitrisa

    mercredi 9 juillet 2008 | Hery A. |  791 visites
    Tsy trano vaky na varavarana nipitsoka, nefa dia very ny vola tao amin'ny banky BOA eo amin'ny "Avenue" ao Toamasina. Araka ny vaovao azo dia tamin'ny zoma alina no nanjavonan'ny vola mitentina Ar. 250 tapitrisa tao anatin'ny fitehirizam-bolan'ity banky BOA ity. Niantefa any amin'ny mpiambina avy hatrany ny ahiahy satria taorian'io fahaverezam-bola io dia tsy hita ny nanjavonan'ilay mpiambina. Ahiana arak'izany ity mpiambina ity izay tsy fantatra moa na nangalatra ny vola marina na tsia. (...)
  • BEPC

    Mpiadina nifoka rongony

    mercredi 9 juillet 2008 | Hery A. |  693 visites
    Mpiadina amin'ny fanadinana BEPC iray no any am-ponja, andro vitsy alohan'ny fanadinana izay nanomboka tamin'ny alatsinainy teo tao amin'ny distrikan'ny Tolagnaro. 18 taona ity tovolahy ity izay saron'ny mpitandro filaminana nifoka rongony, ary mbola tanana any hatramin'izao ka tsy afaka miatrika ny fanadinana. Mpiadina miisa 12 hafa kosa no tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Fantatra moa fa miisa 6 ny foibem-panadinana ao Tolagnaro, misy mpiadina miisa 1172. Etsy andaniny dia nisy (...)
  • Sehatry ny Fitsarana

    Asio fiheverana ity famonjana olona ity

    samedi 5 juillet 2008 | Hery A. |  539 visites
    Tsy izay miditra am-ponja akory dia meloka avokoa. Tsy hasakana ny fomba fijerin'ny maro ety ivelan'ny fonja anefa ny fahitana ireny olona ireny, izay nalefa vonjy maika maka saina any. Arakaraky ny raharaha hiampangana ny olona anefa no maha ela na maha haingana ny fitsarana ny raharaha iray. Mazàna anefa, na dia efa nihiboka am-ponja nandritra ny volana maro ilay olona, dia afaka madiodio rehefa mivoaka ny didim-pitsarana. Io no mampitaraina ny maro, satria ny haja amam-boninahiny no (...)
  • Eto an-drenivohitra

    Betsaka no mifady henan’omby

    jeudi 3 juillet 2008 | Hery A. |  687 visites
    Hatramin'izao dia mbola tsy miverina amin'ny laoniny ny tsenan'ny henan'omby, indrindra aty ampovoan-tany. Manaporofo izany ny fidinan'ny vidin-kena eny ambony akalana eny ka raha tokony ho Ar 5600 any ho any ny vidin'ny hena 1 kg, dia efa misy mampidina hatrany amin'ny Ar 4000 izany. Raha tazanina anefa, dia toa hena tsara ny ankamaroany ary misy fitomboka sy voaara-maso tokoa. Araka ny nambaran'ny mpivaron-kena iray dia ny mpihinana mihitsy no matahotra, na efa tsy zatra intsony angaha. (...)
  • Halatra ranon’ny Jirama

    Olona 9 niakatra fitsarana

    mercredi 2 juillet 2008 | Hery A. |  471 visites
    Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin'ny halatra ranon'ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin'ireo kosa no mpiasan'ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan'ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian'ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon'ny Jirama no niainga ny (...)
  • Alaotra Mangoro

    Fasana 6 no indray vaky

    mercredi 2 juillet 2008 | Hery A. |  685 visites
    Niverina indray ny vaky fasana any amin'ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin'ny alin'ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin'ny 10 km, atsimon'Ambatondrazaka eo no nisehoan'ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon'ny razana tamin'ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin'izao. Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran'ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS