Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Manakara

Tsy mandova tany ny zanaka vavy

mardi 26 août 2008 | Hery A.

Noho ny fomban-tany sy fomban-drazana hatramin’izay dia ny 10 %n’ny vehivavy ao amin’ny distrikan’ny Manakara ihany no mba manana tany. Na eo aza mantsy ny lalàna manome ny zon’ny olona rehetra ho afaka mandova ny fananan’ny ray aman-dreniny dia noferan’ny fomban-drazana izany ka tsy mahazo mandova tany ny vehivavy na ny zanaka vavy io. Mazava ho azy fa an’ny lehilahy hatrany ny fandimbiasana ny anaran-dray any amin’ity distrika ity. Manoloana izany sy manoloana ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia nanao varavarana misokatra ny fikambanam-behivavy any an-toerana, miara-miasa amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona, ny mpahay lalàna sns... Nitondra ny lohahevitra hoe « ny vehivavy sy ny fananan-tany » ity varavarana misokatra ity. Tsy hanafoana ny fomban-drazana velively no tanjon’ny mpikarakara, araka ny vaovao azonay, fa ny fiarahana mikaroka marimaritra iraisana sy vahaolana mba ahafahan’ny vehivavy manana ny zony eo amin’ny lafiny fananan-tany. Efa mahazaka izany fananana tany izany mantsy ny vehivavy any an-toerana ary vonona amin’izany rahateo. Tsy any Manakara ihany anefa no misy ity fomba ity fa amin’ny faritra maro, ary saika tompon’io avokoa ny ankamaroan’ny faritra ao anatin’ny Matsiatra ambony iny. Efa am-pon’ny lehilahy any an-toerana moa ny « miralenta » ka hanamora ny fifanarahana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS