Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 09h52
 

Malagasy

Kaominina Andoharanofotsy

Coiffure" iray, takiana vola ar 400 000

lundi 11 août 2008 |  753 visites  | Hery A.
Arakaraka ny hanen’ ny takelaka sy halavan’ ny soratra no andoavana vola.( Sary : Nary R )

Mandalo eny amin’ny faritra atsimondrano eny ny fisafoana ny entana lany andro sy tsy ara-dalàna eny amin’ireny mpivarotra enta-manidika ireny. Savaina avokoa ny entana rehetra ka nahitam-bokany tokoa izany. Saika efa lany andro ireo entana amin’ny fivarotana enta-madinika, sy vaventy. Ny zava-pisotro, na amin’ny tavoahangy, na amin’ny zavatra hafa, ny biscuit, ny hena am-by fotsy sns... no tena betsaka lany daty, misy aza efa tamin’ny taona 2006. Ninia nivarotra izany ireo mpivarotra ka noraofin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny varotra. Poizina tokoa ireny ka rariny raha misy ny fitarainana ataon’ny mpanjifa.

Ny eo amin’ny lafiny fampandrosoana kosa indray, ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy, dia mandeha ny fanadiovana ny tsy ara-dalàna. Ny mpivarotra no voakasiky ny resaka eto. Manomboka alaina amin’izay ny hofan’ny takela-by, na sora-baventy mitsatoka eny amoron-dàlana eny, na mipetraka amin’ny trano fonenana aza. Arakaraka ny haben’ny takelaka sy ny halavan’ny soratra no andoavana vola, ka raha ny an’ity mpanao volo iray eny an-toerana dia takiana ar 200 000 isan-taona. « Coiffure Aina » no soratra eo amin’ny takelaka. Lehibebe noho io ny an’ny trano fanaovam-bolo iray eo akaiky eo, andoavana ar 400 000. Patanty hono io, araka ny filazan’ireo mpanao volo, ka na any an-tokantrano aza dia takiana vola.
Dia ho vola be tokoa no ho azon’ity kaominina ity satria maro ireo sora-baventy an’ireo sekoly tsy miankina isaky ny elakelan-trano. Raha ny haben’ireny mantsy dia tokony handoavana ar 1 tapitrisa any ho any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS