Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 07h48
 

Malagasy

Taxi-be 110

Tsy mandray ny vola voasonian’ny governora taloha

jeudi 7 août 2008 |  1084 visites  | Hery A.
Rehefa vola dia vola e !

Ny resaverana taxi-be indray izao no mampisahotaka ny mpandeha taxi-be, manoloana ny fiovan’ny sonia ataon’ny governoran’ny Banky foibe amin’ny vola taratasy. Raha oharina amin’ny sonia teo aloha, dia nisy fiovana ihany koa eo amin’ny soratra sy sary amin’ny vola taratasy Ar. 100 hatramin’ny Ar.10000. Misy amin’ireo taxi-be anefa no tsy mety mandray ilay vola nisy sonia teo aloha. Tsy avelan’ny patiraony mandray an’ireny hono izy, ka dia nolaviny ankitsirano izao. Sendra ity taxi-be 110 mampitohy an’Analakely sy Anosizato ny namana Dany Rabemananjara, mpanao gazety ao amin’ny RNM, omaly maraina. Hiala eo Anosy manoloana ny RNM izy. Vola Ar.1000, ilay misy sonian’ny governora teo aloha no natolony ka nolavin’ilay resevera, narahana avonavona. Nanazava tsotra ity mpiasan’ny haino aman-jery fa mandeha ara-dalàna avokoa ireo vola taratasy mbola tsy namoahan’ny Banky foibe filazana.

Nanome famerim-bola tsy fidiny ranamana rehefa nisy nampahafantatra azy fa mpiasan’ny haino aman-jery ity vingavingainy. Vola nifampitohitohy amin’ny « scotch » indray no naverin-dranamana, misy aza tsy mitovy ny laharana amin’ny vola.

Dia ampahafantarina ny rehetra fa na ny vola madinika rehetra aza, manomboka amin’ny iraimbilanja, ariary, ariary roa, ariary efatra, ariary dimy, ariary folo, ariary roapolo, ariary dimampolo, dia mbola miasa ka izay mandà ireny dia iharan’ny sazy. Ny fampiasana ireny vola madinika ireny moa no efa tsy mety intsony noho ny haavon’ny vidin-javatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS