Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 10h45
 

Malagasy

BEPC

Mpiadina nifoka rongony

mercredi 9 juillet 2008 |  693 visites  | Hery A.

Mpiadina amin’ny fanadinana BEPC iray no any am-ponja, andro vitsy alohan’ny fanadinana izay nanomboka tamin’ny alatsinainy teo tao amin’ny distrikan’ny Tolagnaro. 18 taona ity tovolahy ity izay saron’ny mpitandro filaminana nifoka rongony, ary mbola tanana any hatramin’izao ka tsy afaka miatrika ny fanadinana. Mpiadina miisa 12 hafa kosa no tsy tonga noho ny antony tsy fantatra. Fantatra moa fa miisa 6 ny foibem-panadinana ao Tolagnaro, misy mpiadina miisa 1172. Etsy andaniny dia nisy akony tsara ihany ny fielezan’ny feo manodidina ny fivoahan’ny laza adina mialoha amin’ny fanadinana BEPC satria dia nanamafy kokoa ny fandriampahalemana mandritra ny fotoam-panadinana izany. Raha tsiahivina tokoa ny taloha dia toa gaboraraka manoloana izao fandraisana fepetra hentitra izao. Marina fa fanakorontanana ataon’ny sasany izany, saingy mba manatsikafona ny mpanao afera sy risorisom-panadinana hatramin’izay. Ny vokany dia ny fahamatoran’ny fanaovana ny laza adina sy ny fiambenana azy. Tsy azo lavina ihany koa fa tena nisy ny fivoahan’ny laza adina tany aloha tany, saingy notairin’ny mpanao hosoka ka nilamina ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS