Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 07h07
 

Malagasy

Halatra ranon’ny Jirama

Olona 9 niakatra fitsarana

mercredi 2 juillet 2008 |  471 visites  | Hery A.

Niakatra fitsarana omaly talata indray ireo olona voarohirohy tamin’ny halatra ranon’ny JIRAMA tao Antsiranana. Olona miisa 9 no voarohirohy ka ny iray moa dia notanana am-ponja vonjimaika. Olona 4 amin’ireo kosa no mpiasan’ny JIRAMA, niray tsikombakomba, sy fototry ny famoahana an-tsokosoko ny fitaovan’ny orinasa Jirama. Raha tsiahivina ny raharaha dia ny namilian’ireo mpangalatra ny rano mamatsy ny renivohitra. Eny Joffre ville, misy ny milina fanadiovan-dranon’ny Jirama no niainga ny halatra. Olona iray no nanana trano miisa 3 ka nampiditra ny rano an-tsokosoko tamin’ireo trano ireo. Tsy nanana taratasy mazava izy ireo fa taratasy hosoka avokoa no nampiasaina sy nanaovana faktiora. Efa nanao ity asa ratsy ity ireto mpiray tsikombakomba ireto ka sarona, saingy vitan’ny raharaham-pihavanana. Mbola nanohy ny asa ratsy ihany anefa izy ireo ka izao notorian’ny Jirama eny amin’ny fitsarana izao. Hivoaka tsy ho ela moa ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS