Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 02h53
 

Malagasy

Alaotra Mangoro

Fasana 6 no indray vaky

mercredi 2 juillet 2008 |  685 visites  | Hery A.
Mbola mipetraka misitery hatrany ny tantaran’ity taolam-paty sy vaky fasana ity.

Niverina indray ny vaky fasana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, raha somary nangingina izany tato ho ato. Tamin’ny alin’ny faha 23 jona hifoha 24 jona teo dia fasana miisa 6 be izao no vaky. Toerana eo amin’ny 10 km, atsimon’Ambatondrazaka eo no nisehoan’ity vaky fasana ity. Very ny taolam-balon’ny razana tamin’ireo fasana ireo ary tsy hita popoka hatramin’izao.

Mbola mipetraka ho mistery hatrany ny tantaran’ity taolam-paty sy vaky fasana ity na dia efa an-taona maro aza no nisehoany. Tany Ambatondrazaka no niatombohan’ny vaky fasana ary nanenika ny nosy mihitsy. Niverina matetika tao amin’ny faritra Alaotra izy ity saingy somary nahalana. Maromaro ihany ny olona efa notanana am-ponja amin’ity raharaha ity nefa toa tsy ahitam-bokany. Tsy hita ho vinavinaina moa ny ilàna ny taolam-paty, nefa dia inoana fa lafo vidy sy tena ilaina matoa misy hatrany ny vaky fasana. Miondrana any ivelany ve izy ireny sa eto an-toerana ihany no ilàna azy ? Iza no atidoha mikotrika azy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS