Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 13h21
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Fiara ratsy, vata-paty mandehandeha

samedi 9 août 2008 | Hery A.

Mibahana ny sain’ny maro ny tontolon’ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy tantaraina intsony ny resaka solika fa efa samy mahatsapa ny tokony hataony. Amin’ny ankapobeny aloha dia toa nanaitaitra ny mpitondra fanjakana ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato, na an-dranomasina io, na an-tanety.

Saika aorian’ny loza hatrany vao hentitra ny fanjakana, hany ka izay tratra farany no tena manefa. Mitamberina indray ny fampatsiahivana ny lalàna velona izay efa nisy hatramin’izay. Ny teny an-dranomasina moa dia tsy nisy afa-tsy ny fanasaziana ny tompon’ny lakana, satria toa tsy manarapenitra angaha, matoa nisehoan-doza ka namoizana ain’olona maro. Ny fifamoivoizana an-tanety koa dia tratry ny fitsaboana aorian’ny fahafatesana hatrany.

Raha dinihana, dia manoloana ny haratsian’ny fiara miditra eto Madagasikara no tena fototry ny loza. Na henjana aza ny lalàna ao amin’ny ladoany, dia toa tsy voafetra kosa ny hatsaran’ny fiara miditra eto Madagasikara. Vitsy dia vitsy ny fiara vaovao, indrindra ny an’ireo hanao fitateram-bahoaka. Ity farany anefa no tena mpanao loza na amin’ny zotra nasionaly, na ny zotra eto an-drenivohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS