Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 01h19
 

Malagasy

BOA Toamasina

Nivoha ny coffre, very ny Ar. 250 tapitrisa

mercredi 9 juillet 2008 |  791 visites  | Hery A.

Tsy trano vaky na varavarana nipitsoka, nefa dia very ny vola tao amin’ny banky BOA eo amin’ny « Avenue » ao Toamasina. Araka ny vaovao azo dia tamin’ny zoma alina no nanjavonan’ny vola mitentina Ar. 250 tapitrisa tao anatin’ny fitehirizam-bolan’ity banky BOA ity. Niantefa any amin’ny mpiambina avy hatrany ny ahiahy satria taorian’io fahaverezam-bola io dia tsy hita ny nanjavonan’ilay mpiambina. Ahiana arak’izany ity mpiambina ity izay tsy fantatra moa na nangalatra ny vola marina na tsia. Araka ny fantatra mantsy dia misy « code secret » ny vata fitehirizam-bola ao amin’ny banky. Sarotra inoana ny hahafantaran’ny mpiambina ny « code secret », ary etsy andaniny dia tsy mbola nisy ny fitoriana napetraky ny eo anivon’ity banky ity. Arak’izany dia ny famotorana ataon’ny manampahefana no ahalalàna ny marina, ary ahitàna marina ny misy ilay mpiambina voarohirohy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS