Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 02h53
 

Malagasy

Fpma-Paris sy ny FFPM

Mitohy ny fanampiana anatin’ny ezaka

samedi 2 août 2008 |  946 visites  | Hery A.

Notanterahina tamin’ny alakamisy 31 jolay 2008 teny Vohipiraisana Ambohijatovo biraon’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy) ny fanolorana ny fanampiana ao anatin’ny « ezaka Madagasikara » izay fanaon’ny Fiangonana Protestanta Malagasy any Andafy tafo Paris (FPMA-Paris) isan-taona, mba ho fanohanana ny asa misiona sy ny fitoriana ny Filazantsara,ka ordinateur, imprimante,camera numérique sy ny kojakoja samihafa ilaina ho fampandehanana ny Radio Protestanta eto Madagasikara no natolotra tamin’izany.

Ny filohan’ny tafo Fpma-Paris, Roland Ratiarison no nanolotra izany tamin’ny anaran’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Fpma-Paris, ary ny Pastora Ralibera, Talen’ny Radio Protestanta no nandray izany tamin’ny anaran’ny FFPM.
Nandritry ny fihaonan’ny Tonian’ny FFPM Pastora Edmond Razafimanantsoa sy ny Tompon’andraikirty ny FPMA-Paris dia voaresaka ny tokony hanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa, ka hisy volavola tetik’asa hodinihan’ny roa tonta ahazahoana manatanteraka tanjona iombonana eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

Marihina fa tamin’ny roa taona lasa dia ny fanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara teo amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) no niantefan’ny « ezaka Madagasikara » tamin’ny nanomezana boky “Encyclopédies” ho an’ny tranom-boky Loterianina ary ny taon-dasa kosa dia ny Kolejy Teolojika FJKM ao Ivato no voakasik’izany tamin’ ny niantohan’ny “Robes Pastorales” ireo andiain’ny Mpitandrina miisa 40 izay nahavita ny fianarany.

Nohon’ny Famindrampo sy ny Fahasoavan’Andriamanitra dia hankalaza ny faha 50 taona niorenany ny FPMA-Paris amin’ny taona 2009 ho avy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS