Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 18h45
 

Malagasy

Lozam-piarakodia

Mahazo fanalefahan-tsazy ny mpamily mamo toaka

jeudi 28 août 2008 | Hery A.

Niteraka resa-be indray ny loza nataon’ny taxi-be 194 izay nandona olona teo Ankorondrano tamin’ny talata lasa teo. Alohan’izany anefa dia tsara ny mahafantatra fa tsy misy ahiana ny ain’ilay tovovavy 16 taona nofaohin’ity taxi-be 194 ity. Nozairina ny molony, ary mbola tsaboina ny faritra samihafa amin’ny tenany. Roa vavy no voadona tamin’io ka ny iray efa nalefa nody. Niandraikitra ny fikarakarana rehetra teny amin’ny hopitaly HJRA ilay mpamily.

Etsy andaniny anefa dia vitsy ireo taxi-be 194 nanao ny asa noho ny fepetra efa fantatry ny kaoperativa rehetra. Nisy tamin’ny mpandeha tamin’iny andro iny moa no nilaza fa namporisihan’ny mpandeha iray ny mpamily mba handeha mafy, noho ny fahamaikàna angamba. Nasain’ity mpamily nametaka fehikibo tokoa ny mpandeha teo aloha ary iny loza nahatsiravina iny no vokany. Tao anatin’ny faritra fiampitan’ny mpandeha an-tongotra no nisehoan’ny loza.

Malaza ho tena mpanara-dalàna sy manarapenitra ity zotra ity izay tsy mitondra olona afa-tsy 4 isaky ny laharan-tseza, saingy malaza ratsy amin’ny fandehanana mafy ihany koa.

Ny zotra rehetra mihitsy anefa no efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao. Eo ny fandehanana mafy, fa tandra vadin-koditra amin-dry zalahy koa ny havoretràna, ny fiteny vetaveta, sy ny tsy fanajana mpandeha. Raha ho resahana moa ny hoe « mamolava » sy « mpisotro toaka » dia toa omen’ny lalàna vahana izy ireny. « Tsy tompon’ny tenany », izay no mampihena ny sazy azon’ireny mpamily manao loza ireny. Tsy mandalina ny nahafahan’ny olona mamo nandray familiana ny lalàna fa kilasiana toy ny adala tsy nahatsiaro tena ny olona mamo. Raha ny ohatra efa nisy moa dia ny nandonan’ny mpamily iray ny fiarana orinasa teto an-drenivohitra. Mafy ny fifandonana saingy narovan’ny fahamamoany ilay mpamily nitera-doza izay nanambara fa tsy tompon’ny tenany ka tsy nahalala ny nataony. Ny dikany dia mihena sazy azon’ny olona mamo ka raha tokony higadra herin-taona izy, ohatra, dia mety ho 7 na 8 volana sisa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS