Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 23h57
 

Malagasy

Fasan’ny Karana

Mpanera hanao grevy faobe

vendredi 11 juillet 2008 |  633 visites  | Hery A.

Manoloana ny tohin’ny fanamboarana ny fiantsonan’ny fiara amin’ny zotra rezionaly etsy amin’ny « Fasan’ny Karana » dia miatraika any amin’ireo mpanera sy mpitandro filaminana eny an-toerana ny fandroahana. Nanomboka tamin’ny alatsinainy no fantatra fa hofefena ity fiantsonan’ny fiara fitaterana ity, ka taorian’ny fivorian’ireo tompon’andraikitra dia tapaka fa olona 4 isaky ny koperativa ihany no mahazo miserasera amin’ity toby ity. Tsy misy afa-tsy ny sekretera anefa ireo olona 4 ireo ka voailika avy hatrany ireo mpanera sy mpitandro filaminana. Miisa 30 lahy ireo mpiasa eto izay mpilalao baolina lavalava ao amin’ny TAM Anosibe avokoa. Mbola teo Anosibe ny fiantsonan’ny fiara no efa nahatsangana fitsipika sy nahazo alalana hitandro ny filaminana ireo tanora ireo. Nitohy teny amin’ny fasan’ny karana izany. Araka ny nahazatra hatramin’izay dia ny fiara mpitatitra no mandoa vola ar 500 isaky ny fiara, karaman’ireo tanora.

Raisina isan’andro ny vola, saingy ny an’ny mpiambina dia novàna ho isan-kerinandro. Ireo mpanera moa dia efa tsy ao anatiny intsony. Nizara izy 30 lahy ka eny amin’ny Fasan’ny Karana ny sasany ary eo amin’ny fiantsonan’ny fiara eo Anosibe ny sasany, ary mifandimby isan’andro. Ny vokany aloha dia efa mafy ady sahady ireo tanora mpanao lavalava. Ahiana ho voatonotonona amin’ny tsy fandriampahalemana ry zalahy ka tapa-kevitra fa hanao grevy faobe amin’ny alatsinainy. Tsy lavin’izy ireo ny fanamboarana fa nohamafisiny kosa fa misy ampihimamba ao. Misy antokon’olona mitady hangeja ny fitantanam-bola ka haka izay tokony ho karaman’ireo tanora.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS