Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Teny zato, kabary arivo

Mbola mandry tsy lavo loha

vendredi 22 août 2008 | Hery A.

Mitaky paik’ady iraisana ny tontolon’ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Tato anatin’ny taona vitsy nifanesy dia tena nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Ny halatra omby moa dia efa samy manana ny paik’ady ny isam-paritra. Ao ny nanao ny valabe, iandrasana ny omby tsy ho lasan’ny dahalo. Ao ny vata maintin’ny fandriampahalemana toy ny ao amin’ny faritra Bongolava. Santionany ireo, izay samy mba nahitam-bokany avokoa. Ny olana eto dia ny sakatsakana mahazo ireny hetsika manokana ireny. Tsy maharitra ela fa ravarava ho azy eny. Valabe mantsy no nokasain’ny faritra Bongolava natao voalohany, saingy nidiran’ny adilahy politika ka nampiharihary ny fanohanan’ny mpitondra sasany teo aloha ny maha dahalo azy. Volana maromaro koa no niasan’ny vata maintin’ny fandriampahalemana izay amperin’asa amin’izao fotoana izao. Misy mikitikitika indray izy io satria nahitam-bokany tsy nampoizina. Inoana fa tsikaritry ny mpitondra fanjakana izany ka izao anaovan’ny Praiminisitra fitsidiham-paritany izao.

Fandriampahalemana ranoray no voizina ka anomezana ny toromarika iraisana hiadiana amin’ny asan-dahalo. Atrik’asa no ataony any Toamasina, hatramin’ny omaly tontolo andro. Tokana ny vokatra andrasana, dia ny hahafoana ny asan-dahalo. Atsipy ihany ny hevitra mba tsy ho teny zato kabary arivo fotsiny, fa raha mbola ao anatin’ny tambazotran’ny dahalo ny ampahan’ny olona ambony eto amin’ny firenena dia herim-po very maina ny fitetezana faritra. Tokony ho jeren’ny governemanta akaiky ihany koa ny fitazonana ireny zatovo voaantso ho miaramila ireny. Ny famokarana no tokony ampianarina azy ireny ka ajanona mihitsy ny fianarana mitifitra amin’ny basy, amin’izay dia mba angady no holalaoviny rehefa mahavita ny fanompoam-pirenena izy, fa tsy hilalao ny basin’ireo dahalo ambony latabatra ka hifamono samy malagasy eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS