Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 23h57
 

Malagasy

Anosibe

Nifanehatra ny andian-jiolahy roa samihafa

lundi 11 août 2008 |  600 visites  | Hery A.

Olona tamin’ny tokantrano roa samihafa no indray niantso vonjeo tamin’ny zoma alina nifoha sabotsy, tokony ho tamin’ny iray ora alina teo. Tao amin’ny tanàna iray ao Mandrangobato II, Anosibe no nisehoan’izany. Tsy fantatra na tarika iray ihany izy ireo na jiolahy andiany roa samihafa fa niara-nigadona ny antso vonjeo sy ny feon’ny kiririoka. Fianakaviana iray mpanamboatra vatomamy ny iray. Jiolahy miisa 5 eo ho eo no tazan’ny tompon-trano. Nisy nandona ny varavaran-kely saingy tsy sahy namoha trano ny tompony. Ny olona tao ambony rihana no nahatsikaritra ireo jiolahy, saingy hitan’ireo jiolahy ka norarafany tamin’ny tora-bato. Vetivety anefa dia tapitra namoha ny varavarany ny manodidina ka nandositra ireo jiolahy. Nifanandrify tamin’io ihany ny tao amin’ny trano iray, mpivarotra vary amin’anana sy saosisy.

Ramatoa iray vao teraka, andro vitsy izay, no nidiran’ny lehilahy ranjanana iray an-keriny. Nodoniny mafy ny varavarana sady narahany teny hoe : « nankaiza ilay olona niditra teo ? » Nikiakiaka ramatoa ka rifatra nandositra koa ilay jiolahy. Nanomboka teo, iny alina iny ihany dia nametraka hevitra hitandroana ny filaminana ireo mpiray tanàna ka tsy handry andro, tsy handry alina. Ity faritra notafihan’ny jiolahy ity moa dia isehoan’ny fahatapahan’ny herin’aratra matetika, sady mandritra ny alina manontolo no tsy mandeha izany isaky ny misy fahatapahana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia nazava be teo an-tanàna, mbola sahy nanafika ihany ry zalahy. Arak’izany dia aleo mailo, fa ny mpitandro filaminana toa tsy ho sahy hiditra any anaty elakelan-trano any. Tsarovy anefa fa ny aina no manefa amin’ny fitsaram-bahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS