Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Malagasy

Fitaterana

Zandary mandà familiana an-kavanana

samedi 23 août 2008 | Hery A.

Voatohintohina ny tontolon’ny fizahan-tany, hoy ity mpamily mpitondra mpizahatany vahiny iray, raha nosakanan’ny zandary teny am-pitondrana ireo vahiny. Nosakanan’ny zandary mantsy ny fiara nentiny ka nampisehoan’ny zandary boky kely iray ny mpamily. « Tsy azo ampiasaina eto Madagasikara intsony ny fiara misy familiana any amin’ny an-kavanana » Lalàna manamafy an’io no nasehon’ny zandary ka dia nifanazava teo aloha. Nampahafantarin’ilay zandary fa nampiharina nanomboka tamin’ny faha 6 aogositra teo ity lalàna ity. Ity mpamily moa dia mpiasa ihany, saingy mahatsapa fa voatohintohina koa ny asany. Nambaran’ity mpamily fa ny fiara mitondra mpizaha tany amin’ny orinasa iasàny sy ireo mpikarakaraka mpizaha tany eto amintsika dia saika ireny fiara misy familiana amin’ny ankavanana ireny. Niafara tamin’ny fifanarahana ny resaka rehefa resy lahatra ilay zandary. Neken’ny mpitsara fiara eto Madagasikara io, hoy ny mpamily, sady io rahateo no fiara nampiasain’ny orin’asany hatramin’izay. Namindra fo ilay zandary ka nanome iray volana ho an’ny tompon’ny fiara, hamadika ny ny familiana ho eo an-kavia, raha izay no azo atao farany. Vita ny resak’ireo samy malagasy, fa ny an’ireo mpizaha tany kosa dia nisehoan’ny fahakiviana. Ekena ny hentitra, saingy tokony nosakanana teny amin’ny seranana nidirany ireny fiara ireny. Marihana fa ny tontolon’ny fizahan-tany eto Madagasikara dia efa mivoatra raha tsy hilaza afa-tsy ny fiverenan’ireo valanjavaboahary sasany amin’ny maha izy azy. Ireo mpandraharaha amin’ny fizahan-tany moa, toy ny « agence de voyage » dia tsapa ny ezaka goavana sy mivaingana vitan’izy ireny na dia miasa mangingina aza ny sasany. Manam-porofo izany ny antontan’isa izay niakatra avo dia avo tato ho ato.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS