Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 05h20
 

Malagasy

Behoririka

Ampiadian’ny sinoa ny mpivarotra amoron-dàlana

mardi 5 août 2008 |  1086 visites  | Hery A.

Nanatanteraka ny grevy efa narangarangany ny mpivarotra miankin-drindrina etsy Behoririka, omaly vao maraina. Nitandahatra ny « banderole » sy ireo mpivarotra ka naneho ny heviny ampahibemaso teo. « Very asa sy tsy mihinan-kanina izahay », hoy ireo sora-baventy. Araka ny nambaran’ireo mpivarotra mpigrevy ary fa « efa iray volana izay ry zareo no tsy navela nivarotra amin’iny sisin-dalana Behoririka iny. » Mpivarotra miisa 1500 eo ho eo ry zareo no nifanandrina tamin’ireo lehilahy am-polony mpiasan’ny fokontany Behoririka. Tsy nisy aloha ny fifampikasihan-tanana omaly fa samy nifampitazana teo ny mpanao grevy sy ny mpitandro filaminan’ny fokontany. Rehefa nandeha moa ny resaka dia toa misy ambadika avy any amin’ireo mpamoaka entana ihany ity raharaha ity. Mitobaka be loatra ny entan’ny mpivarotra sinoa ka tsy lafo raha tsy aparitaka amin’ireo mpivarotra amoron-dalana. « Misy ny fifampitokisana amin’ny sinoa », hoy ireo mpivarotra ka omeny entana aloha ny mpivarotra, rehefa lafo vao aloa ny vola. Heverin’ireo mpivarotra voaroaka anefa fa paika avy any amin’ireo mpivarotra Tailandey ny fandroahana azy ireo hiala. Samy ao amin’ny sinoa ireo no maka entana, saingy ny an’ny amoron-dalana mora kokoa. Raha kiraro amidy ar 5000 eny amoron-dalana, ohatra, dia ar 20000 any ho any ao amin’ilay magazay Tailandey. Raha ny marina dia voararan’ny lalàna ny fivarotana amoron-dalana. Fantatry ny sinoa mpamoaka entana izany, ary fantany fa tsy mandoa hetra akory ny mpivarotra amoron-dalana, kanefa dia any amin’ny mpivarotra madinika no mifatratra ny rihitra. Enjehina ny madinika, kanefa avela hanaparitaka entana ihany ireo mpamongady. Didy jadona anie izany eh !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS