Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 01h19
 

Malagasy

Rafim-pampianarana vaovao

Ifandrombahana ny fidirana amin’ny sekolim-panjakana

vendredi 1er août 2008 |  804 visites  | Hery A.

Na dia mbola sondriana ao anatin’ny fialan-tsasatra aza ny mpianatra amin’izao fahavitan’ny fanadinana bakalorea izao, dia efa miketriketrika kosa ny atidohan’ny ray aman-dreny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny zanany an-tsekoly tsy ho ela. Efa fotoana tsy fanaovana fandaniam-poana intsony izao fa aompana tanteraka any amin’ny fanomanana fianarana ny vola sy harena ary ny eritreritra manontolo. Betsaka kosa ireo ray aman-dreny maniry ny hampiana-janaka amin’ny EPP saingy efa feno avokoa ny toerana.

Fitaovam-pianarana

Saika ny mahakasika ny fianarana no hita eny an-tsena. Miparitaka ny fitaovana avy any ivelany, samy manana ny vidiny, arakaraka ny hatsarany. Ny entana vita sinoa hatrany aloha no betsaka sy mora kokoa. Raha tena atao indray mividy ny fitaovana rehetra ilain’ny mpianatra iray, amin’ny ambaratonga faharoa, ohatra, dia eo amin’ny ar 30000 no lany. Tafiditra ao ny aron’akanjo, ireo fitaovana efa takian’ny teknolojia, indrindra ho an’ny teknika. Tsy tafiditra amin’izany kosa ny saram-pidirana any an-tsekoly. Ny eo anivon’ny EPP moa dia azo lazaina ho maivana satria nandritra ny taona nitondran’ny filoha Ravalomanana dia niantohany ny fitaovan’ny mpianatra sy ny aron’akanjo. Nahavaha olana kosa iny na dia tsy nahazo daholo aza. Ny saram-pianarana moa andoavana ar 11500, ho an’ny sekolim-panjakana io.

Maniry ohatry ny anana ny sekoly

Maro ny sekoly fa sarotra ny misafidy azy. Saika isaky ny elakelan-trano no iorenan’ny sekoly tsy miankina. Samy maneho azy ho raitra avokoa izy ireny, mandresy lahatra amin’ny fampirantiana ny vokatra nahitam-pahombiazana. Tokony hanaporofo ny maha matihanina azy raha ny hakanton’ny « banderole » saingy rehefa karohana ilay sekoly dia tsy hita. Trano madinika sy trano fonenana, mihiboka sy tsy manarapenitra no ambara fa « lycée professionnel » sns...Fehiny, lasa atao fitadiavam-bola ny fanabeazana ka rehefa manana trano sy tokotany malaladalaka dia aorina ny sekoly.

Rafim-panabeazana vaovao

Mizarazara ny hevitra eto. Saika resy lahatra amin’ny fandalinana ny teny malagasy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, na avy amin’ny sekoly tsy miankina aza. Misy ireo ray aman-dreny manan-katao, namindra ny zanany ho any amin’ny sekolim-panjakana. Antony voalohany io fandalinana ny teny malagasy io (fa tsy fanagasiana ara-bakiteny akory). Ireo sekoly tsy miankina sasany moa dia handray ity programa malagasy ity na dia manana safidy hafa aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS