Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h06
 

Teny zato, kabary arivo

Tafiditra lalina…

jeudi 21 août 2008 | Hery A.

Tafiditra lalina amin’ny tontolo politika ny fiangonana FJKM amin’izao fotoana izao. Faritana amin’ny hoe « fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana », saingy toa ny olon’ny politika avokoa no avy aty amin’ny fanjakana, ary ireo birao sasany dia efa ela nihetezana rahateo, amin’ny fahaiza-miaraka amin’ny politikam-panjakana ;

Tsara ny fitazana ny fiaraha-miasa nandritra iny 4 taona lasa iny. Nihazakazaka ny fifanampiana ka saika nanana endrika vaovao ny ankamaroan’ny fiangonana FJKM. Nisy tarigetra hafa tampoka nanova tsikelikely ny rafitra ka zary tongan’ny didy jadona hatrany amin’ny sampana ao am-piangonana. Izay hetsika ataon’ny sampana dia saika voasakan’ny any ambonimbony, moa va tsy sahala amin’ny rafitra politika ihany ? Dia tafalatsaka lalina indray izy ity. Efa mahalala ny vokany ireo lohandohan’ny mpisorona. Firifiry ireo mpivavaka avy amin’ny FJKM no manatevina ireny antsoina hoe “sekta” ireny. Maro ihany koa no niova fiangonana na nanangana antokom-pivavahana mihitsy mba hialàna amin’ny resaka politika. Na izany aza aloha dia manana ny ho aviny eo amin’ny fandrosoana ara-tsosialy ny FJKM fa ny eo amin’ny aram-panahy ity no mila ho lavon’izay fandrosoana sy fidiram-bola izay. Enga anie ka tsy nho fanomanana fifidianana sahady izao ka ho sorona ny tanora ao anatin’ny fiangonana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS