Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h57
 

Malagasy

Fitafiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana

Fitaovan’ny andian-jiolahy

vendredi 16 novembre 2007 | Hery A.

Taorian’ny resaka fanamiana mpitandro filaminana sarona teny amin’ny jiolahy, vao tsy ela akory izay dia tonga resa-be manerana ny nosy indray ity akanjona miaramila ity izay efa nalaza tany alohaloha tany. Lamaody ho an’ny zatovo izy ity saingy nihodina ho fitaovana ratsy ho an’ny jiolahy. Fitaovana nahomby tokoa satria samy natahotra na ny mponina andrenivohitra na ambanivohitra raha vao hanatonan’ireny mpitandro filaminana ireny. Maro no voasoloky satria izay moa no tena nilàna ny akanjona miaramila na zandary na polisy.

Ny any ambanivohitra anefa tsy mahay manavaka loatra ireny akanjo izany fa raha vao maramara sy miloko maitso toy ny akanjon’ny tafika dia heveriny ho hery famoretana, ka raha tojo ireny jiolahy ireny dia mibaboka avy hatrany.
Navoakan’ny fanjakana ny lalàna amin’ny tsy azo hanaovana ireny fitafiana ireny saingy toa vao mainka niroborobo tato ho ato. Nanarampo ny rehetra ka efa nisy voa indray vao nahatsiaro.

Na izany aza dia tsy mahatampina ny lalan’ny mpanao ratsy izany satria saika ny mpitandro filaminana mihitsy no mamatsy ny jiolahy ka ankoatry ny akanjo dia eo koa ny basy sy bala. Mazava ho azy fa asa ratsy avokoa no tanjon’izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS