Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 20h39
 

Malagasy

Antananarivo renivohitra : fifindra-monina

Fitaovana politikan’ny fifidianana ?

vendredi 16 novembre 2007 | Hery A.

Mirona any amin’ny fitsikilovana arahana fitsikerana tsy mazava ny mpanao politika manoloana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Voaresaka ny isan’ny mpifindra monina ka niainga teny amin’ny fokontany Anjanahary ny loharanom-baovao mahakasika an’io. Miisa 200 eo ho eo ny mpifindra monina tato anatin’ny fotana fohy, ary tsy dia misy hafa amin’izany ny fokontany maro eto an-drenivohitra.

Tonga resa-be satria heverin’ireo mpivoy ny resaka politika fa paik’adin’ny kandida hamenoana vato io, na hala-bato ankolaka angaha. Ny tsy mazava anefa dia hoe « kandida iza amin’ireo kandida miisa 6 eto an-drenivohitra no niketrika an’izany ? », raha izay no handraisana azy.

Misy vahiny isan’andro

Olona avy amin’ny faritra iray ve no nokaramaina sa ? ny valiny aloha dia tokony harahina fanadihadiana vao tenenina. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny faritra Manjakaray iny dia fantatra fa trano ahofa no betsaka eny, ary ireo mpila ravonahitra sendra mandalo, na ireo te honina maharitraritra no manofa trano eny ary mazava ho azy fa betsaka no olona ivelan’Antananarivo. Ny fihantsonan’ny fiara manao zotra nasionaly no mahatonga izany. Isan’andro dia voalaza fa misy mpifindra monina ary mitondra fifidra-monina ara-dalàna.

Handosirana ny fahavaratra any ambanivohitra

Torak’izany koa ny fokontany eny amin’ny faritra Anosibe eny izay efa nisy ny fotoana nahatongavan’ny vahiny marobe tao amin’ny fokontany, amin’ny andro tsy nisy fifidianana. Hitady asa amin’ny orinasa afakaba no ankamaroany, ankoatry ny fivarotana. Fotoanany izao satria tsy misy vola any ambanivohitra ka handosirana aloha ny fahavaratra fa ireo tsy maintsy mikarakara fambolena no mijanona any ambanivohitra.

Azo vinavinaina ho toy izany ny eny Anjanahary, ary araka ny nambaran’ny sefo fokontany iray dia ny vahiny miditra no betsaka fa ny mivoaka dia saika ireo olona hindaosin’ny fahafatesana ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS