Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 mai 2024
Antananarivo | 20h49
 

Malagasy

Anjozorobe : Omby matin’aretina

Voan’ny tazo ny mpandrasa hena

mercredi 6 février 2008 |  340 visites  | Hery A.

Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia omby miisa 13 no maty vokatry ny aretina tsy fantatra tany amin’ny kaominina Ambohimirary, anatin’ny distrikan’Ankazobe.

Araka ny vaovao azo dia malain-komana sy miha mahia ny omby tratry ny aretina. Mibontsina ny kibony ary miafara amin’ny fipoahana ka mahafaty ny omby. Na izany aza dia nikiry namono ny omby tratry ny aretina ny mponina sasany ka mihinana ny hena.

Tsikaritra anefa fa tratry ny aretina ihany koa ny olona mandrasa ny omby marary satria misy fofona mahery ny rano miangona tao amin’ny taovan’ilay omby. Vokany dia voan’ny tazo mahery ireo mpandrasa omby. Voalaza kosa anefa fa mbola tsy nisy ny olona namoy ny ainy na dia mihinana ny henan’ny omby marary aza.

Efa tonga nijery ifotony ny fisehoan-javatra moa ny dokoteram-biby ka nandray fepetra nisorohana ny fihanaky ny aretina. Amin’izao fotoana izao dia efa nitsahatra ny fisian’ity aretina ity, izay mbola tsy fantatra marina aloha hatramin’izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives