Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 18h07
 

Malagasy

Anosibe : Fivarotam-panafody

Norahonan’ilay manampahefana ny mpivarotra

mardi 15 janvier 2008 |  646 visites  | Hery A.

NIteraka resa-be teo Anosibe sy ny manodidina ny nataon’ny manampahefana iray nividy fanafody tamin’ny fivarotam-panafody mpiandry raharaha tamin’ny alahady teo satria dia olona maro tokoa no nahita ny fandrahonan’ilay manampahefana ny mpiasan’ny faramasia ka nanereny azy hivarotra fanafody tsy misy taratasin’ny dokotera mitaky izany ny fivarotana ilay fanafody. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra ka namoahan’ity manampahefana karatra. Toran-kovitra ilay mpivarotra ka nanome tsy sazoka. Tsy vitan’ny nahazo ankeriny ilay fanafody ity manampahefana (vehivavy) fa mbola niverina nandatsa ity mpivarotra ka nanao hoe « sa hanome ihany ? ».

Tsy nanan-tsafidy nanoloana ny lako tampoka ity mpiasan’ny farmasia ary tsy afaka nanafina izany satria natrehan’ny mpanjifa maromaro. Nandeha ny resaka taorian’io ka niraisana ny hevitra amin’ny maha fanafody saro-pady ity nanerena mpivarotra ity. « Fanaparam-pahefana » izay no azo nandikana ny fihetsik’ity olona ity. Tsy fantatra mantsy na mety hamoizana ain’olona ny fampiasana ny fanafody saro-pady toy ireny, na mety hitsaboana olon-dratsy any ambadimbadika any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS