Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 02h20
 

Teny zato, kabary arivo

Sasatry ny miarina

samedi 2 février 2008 |  838 visites  | Hery A.

Hatramin’izao aloha dia mbola ny zavatra efa nampoizina hiseho avokoa no miseho, dia ny tombatomban’ny mpanara-baovao mahakasika ny nirotsahan’ny TGV ho kandida ben’ny tanàna. Ny famisavisana ny fahalaniany no atao jery todika kely ka saika nitombina ny ankamaroany. « Sasatry ny miarina », izay no azo ilazana ny fandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana eto an-drenivohitra. Efa niaiky mihitsy ny lehilahy fa ho sarotra ny hanatanterahana ireo programan’asa raitra dia raitra nampanantenaina tamin’ny fampielezan-kevitra. « Teny zato, kabary arivo »ireny fa tsy nisy asa nivaingana akory. Sakan-tsakana no mahazo ny kaominina hoy ireo mpanolon-tsaina TGV ka aiza no hampandrosoana ny tanàna amin’izany ? Tsikaritra anefa raha ny fandresen-dahatra natao tamin’ny vahoaka fa efa misy ny tetika matipaika hanoherana izany ka « Matokia ry vahoaka ». Ny fiafarany dia tsy misy hita ireo fampanantenana fa ny paik’ady hisintonana ny vahoaka handrotsa-bola, ankoatry ny hetra no zava-misy. « Fanarenana an’Antananarivo renivohitra », « arotsahy arotsahy ! » Asa na iza no hanara-maso ireny vola ireny. Izao indray dia « ndao hanadio tanàna ». Famenoana kitapo avokoa no tanjona amin’ireny satria efa tokony ho vitan’ny hetra aloan’ny vahoaka ny fanadiovana tanàna. Rehefa dinihina moa dia toa miverina haka ny fon’ny vahoaka indray ny ben’ny tanana amin’izao fotoana raha efa noporofoin’ireto vahoaka fa ny TIM no tsy tiany, ka raha nifidy ihany dia aleo olom-baovao. Jereo ange ilay tetsy Mahamasina indray andro iry e ! Nangadihady ny seza... Dia ho hita eo indray ny anio... Raha tsy hoe hisy artista malaza angaha ?

Ny fanjakana koa etsy andaniny dia sady mamelaka tehamaina no manafosafo. Manindrahindra ny TVM fa mitsikera mafy kosa ny haino aman-jery hafa. Inona moa no fototry ny resaka fa tsy fiarovana ny sezan’ny mpitondra ambony e ! Sao dia ho lasa eo ny TGV izay tsy hita aloha hatramin’izao na ny lalamby hizorany aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives