Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 23h51
 

Malagasy

Fitoriana vaovao mahafaly

Hiverina an-tsehatra i Klarys

jeudi 17 janvier 2008 |  491 visites  | Hery A.

Hiverina an-tsehatra i Klarys amin’ity taona 2008 ity raha tamin’ny volana jona 2000 izy no niakatra an-tsehatra farany tao Antsahamanitra. Toriteny an-kira efa fanaony, miaraka amin’ny mozika mafana no entiny indray hitoriana ny filazantsara. Tsy nipetram-potsiny anefa izy fa niketrika raki-tsary sy raki-kira ahitana hira miisa 6 avy, ankoatry ny hira miisa 60 vita fandraisam-peo. Efa mivoaka eny amin’ny Fuji film eny Talatamaty ireto raki-kira ireto ary ahitana izany koa eny amin’ny « press center » eny Ambondrona ary ao amin’ny Winners Chapelle. Eto Antananarivo sy Fianarantsoa ary Ambositra no efa misy ireo sangan’asa ireo, ankoatry ny nalefa any afrika atsimo. Nandritra ny dian’i Klarys, nanao fitoriana vaovao mahafaly tany Nigeria tamin’ny taona 2004 no nahatsapany fa resy lahatra amin’ny sangan’asany ny Afrikana ka nataony tanjona amin’ity taona 2008 ity ny hamadihana ny tononkira ho teny anglisy. Voamarika rahateo fa maro ny gadona afrikana ao anatin’ny raki-kira.
Ankoatry ny fitetezan’i Klarys fiangonana eto Madagasikara, dia hisantarany ny seho an-tsehatra ny datin’ny 8 martsa 2008, andron’ny vehivavy eran-tany io ka hitondra amboaran-kiram-piderana ho an’ireo vehivavy eran-tany ao amin’ny ROXY ny tenany. Ny faran’ny taona kosa dia ho ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina. « Aza matahotra » no lohatenin’ireto rakikira ireto ka ny raki-tsary dia andiany faharoa ary ny raki-kira dia andiany faha 6.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS