Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 mai 2024
Antananarivo | 18h38
 

Malagasy

Entana avy any ivelany

Misongadina ny fanatontoloana

lundi 11 février 2008 |  1651 visites  | Hery A.

Zava-misy manerana izao tontolo izao ny fahaiza-mikaroka ara-toekarena, ataon’ny mpila ravinahitra eto amintsika amin’izao fotoana izao.

Tao anatin’ny taona 5 na 6 izay dia nisongadina teto amintsika ny tera-tany avy any Azia any ka nanova endrika ny tanàna mihitsy amin’ny alalan’ny toekarena. Nampanana asa ireo tanora maro. Navadik’ireto vahiny ireto ho tranom-barotra avokoa ireo trano amoron-dalana nikatokatona toy ny teny Behoririka, Analakely. Ny tenan’izy ireny mihitsy no nitana ny tranom-barotra tany am-boalohany. Niova tsikelikely ny tantana ka nampanofaina amin’ny mpivarotra malagasy indray ny trano rehefa toa nifanaraka fa ny entana avy any aminy ihany no amidy. Tsikaritra izany noho ny vidiny mora kokoa sy ny kalitao tsy dia manao ahoana.

Niha niharihary ny fahaiza-manaon’ireto vahiny nandalina ny toekarena satria mijery ifotony ny filan’ny vahoaka malagasy ry zareo. Ireo zava-misy eto an-tanindrazana ihany no nanaovany fikarohana. Ny zaitra an-tsena no nalain-tahaka voalohany izay fiveloman’ny mpivaro-mandeha. Tonga tany ambanivohitra anefa ny akanjo vitan-dry zareo izay mitovy tsy misy valaka amin’ireo vita gasy. Niditra ihany koa ny peta-kofehy vita amin’ny milina, ary nisongona ny peta-kofehy malagasy nalaza eran-tany. Ankehitriny dia mila ho tapitra voatrandrak’ireto vahiny ny asa tanana malagasy rehetra satria ireny fitaovana vita amin’ny bararata ireny dia efa voadika amin’ny akora hafa. Ny asa tanana vita amin’ny tanimanga, indrindra ny tavim-boninkazo dia efa nosoloina plastika ihany koa. Ny vidiny kosa dia nezahina hitovy saingy latsaka kokoa ny vidin’ireo vita avy any ivelany. Ny tavim-boninkazo plastika dia ar 1000 hatramin’ny ar 5000. Tsy azo odian-tsy hita koa anefa ny entana hafa avy any ivelany izay nisantatra ny fisongonana ny fitafiana vita malagasy dia ny lamba efa nampiasaina « fripérie ». Nanenika ny nosy izy ity, ka mora dia mora ny vidiny, miainga amin’ny ar 300 ohatra ny vidin’ny akanjon’ankizy...Lalànan’ny varotra eran-tany io izay tsikaritra fa mahatafiditra tanteraka an’i Madagasikara ao anatin’ny fanatontoloana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives