Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Malagasy

ESMGC : Oniversiten’ny vondrona ACEEM

Hisokatra amin’ny volana martsa

samedi 2 février 2008 |  431 visites  | Hery A.

Amin’ny faha 7 martsa izao no hiditra ireo mpiofana ho manam-pahaizana ambony ao amin’ny ESMGC (Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication) etsy Manakambahiny.

Ny vondrom-panabeazana ACEEM no tompon’ity sekoly ambony ity izay fanatevenana ireo sampana isan-karazany efa misy ao aminy. Fotodrafitrasa vaovao manara-penitra no hovantanin’ireo mpianatra ka mpianatra miisa 100 hatramin’ny 120 isaky ny sampam-piofanana no ho raisina hiofana mandritra ny 3 taona avy. Itovian’ny diplaoma azo amin’ireo taranja rehetra ny LDM « Licences masters doctorat ». Ho an’ny taranja « gestion » dia mpianatra manana ny bakalorea G, A, D no ho raisina. Hanam-pahaizana momba ny fitantanana orinasa aorian’ny fiofanana ka afaka miatrika asa avy hatrany. Ho an’ny taranja « maintenance en electronique, informatique et electrotechnique » kosa dia ny bakalorea C, D ary S ary bakalorea teknika no horaisina izay fantatry ny rehetra fa takian’ny tontolo ankehitriny. Ny taranja fifandraisana (communication) kosa dia ny bakalorea tsy ankanavaka no afaka manao azy. Betsaka ny asa vantanina amin’ity izay efa miroborobo fatratra ankehitriny. Fantatra ireo nandritra ny varavarana misokatra fampahafantarana ity sekoly ambony ity, izay natao teny an-toerana nanomboka omaly zoma.

Nanatrika ity hetsika ity ireo mpianatra efa nisoratra anarana, izay fotoana nampahafantaran’ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM atoa Ratrema William sy ny tale jeneralin’ny sekoly ny profesora Ralaisoa tamin’ireo mpianatra ny firafitry ny sekoly sy ny fitsipika mifehy azy. Ny tanjona hoy izy ireo dia fandraisana anjara eo amin’ny fampandrosoana sy fanomezana vahana ny tanora hifantoka amin’ny sehatry ny asa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS