Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 11h45
 

Malagasy

Antoko Arema

Kongresy tsy nahafeno fepetra

lundi 10 mars 2008 |  659 visites  | Hery A.
Mpitarika ny antoko Arema, nankatoavin’ny filoha mpanorina.

« Kongresy tsy mahafeno fepetra ! Kongresy mitsipaka ny filoha mpanorina » Io no nambaran’ireo mpikatroka Arema teny amin’ny foiben-toerany vonjimaika eny Anosizato omaly alahady raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. « Mandainga ireo ninia nanao ny kongresy omaly », hoy ihany izy ireo. Tsy nanome tso-drano azy ny filoha Ratsiraka Didier ary efa nandre ny antson’ity filoha teo aloha ity ny rehetra nilaza fa tsy manao kongresy ny AREMA, ary mpisandoka izay manao izany.

Nohamafisin’atoa Ange Andrianarisoa sy atoa Simon Pierre fa tamin’ny taona 1997 no nisy kongresy nanendrena azy ho mpitarika. Anisan’ny voatendry ho sekretera nasionaly tamin’io atoa Rajaonarivelo Pierrot, saingy efa nametra-pialàna ny tenany.

Efa nisy ihany koa moa ny famitranam-pihavanana ka anisan’ny nanao sonia izany i Vaovao Benjamin sy i Pierre Houlder, saingy taorian’io dia nilaza atoa Pierre Houlder fa izy no voatendry ho sekretera nasionaly.

Manjavozavo izany ny mety hivitranan’ny fihavanan’ity antoko ity izay ahiana ho tafakatra hatreny amin’ny fitsarana mihitsy.

Marihana fa nanatanteraka ny fivoriany ny Arema tarihan’i Pierre Houlder omaly, tetsy amin’ny akany Lovasoa 67 ha, izay nambaran’atoa Ange Andrianarisoa fa trano an’ny zanak’i Ratsiraka Didier.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024