Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 13h33
 

Malagasy

Andro ratsy

Nihemotra ny fandaharam-pianarana

mercredi 20 février 2008 |  568 visites  | Hery A.

Hatramin’ny omaly talata no fe-potoana nomen’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tsy hianaran’ny mpianatra. Faritra maro eto amin’ny nosy no voakasik’io. Ny fandalovan’ny rivo-doza moa no antony. Tamin’ny alatsinainy vao maraina no nivoaka ny filazana, ka betsaka ireo mpianatra tsy nandre ny vaovao. Nisy ihany ny mpianatra namonjy sekoly, saingy niveri-potsiny. Teo ihany koa anefa ireo tsy maintsy nanohy ny fandaharam-pianarana satria ao anatin’ny fanadinana. Tsy maintsy nianatra ihany koa ireo kilasy hanao fanadinana ara-panjakana amin’ny fifaranan’ny taom-pianarana. Tombanana ho ny 30%n’ny mpianatra eto an-drenivohitra izany ireo tsy maintsy namonjy sekoly hatramin’ny alatsinainy sy talata. Ho an’ireo EPP dia nihemotra ny fiatrehana fanadinana. Ankizy madinika avokoa mantsy ireo voakasiky ny resaka.

Manantena hiverina an-tsekoly ny mpianatra anio alarobia. Inoana fa hiatrika ny fanadinana efa nomanina. Nanana fotoana namerenan- desona rahateo izy ireo. Tsiahivina ihany fa nandritra ny 15 andro teo ho eo no tsy afa-nianatra ny mpianatra tany amin’ny distrikan’i Besalampy iny, tamin’ny fotoana nandalovan’ny rivo-doza « Fame ». Tamin’ity dia saika ny faritra manerana ny nosy no nahazo filazana. Ny fanamarihana dia sambany no nisy fampandrenesana avy amin’ny minisitera. Hatramin’izay mantsy dia efa ao anatin’ny ranobe ny sekoly, na koa efa tabatabain’ny andro ratsy ny mpianatra vao sahy mandray fepetra ny mpampianatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS