Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 15h12
 

Malagasy

Fianianan’ny filoham-pirenena

Enin-taona lasa izay...

samedi 23 février 2008 |  700 visites  | Hery A.

22 febroary 2002, 22 febroary 2008. Enin-taona lasa izay.Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana ny tantaram-pirenena. Tokony ho notsarovana omaly ny nanaovan’ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, fianianana voalohany amin’ny maha filoham-pirenena azy. Ny lasa tsy fanadino hoy ny fitenenana, ka raha tao anatin’ny fotoana nahamay no nisehoan’izany dia tsy maty am-pon’ny malagasy. Tantara ireny ka tantara ! Tsarovana ny fiarahana politika, niarahana nandrombaka ny fitondrana. Fianianana nandavoana an’i Ratsiraka Didier sy ny ekipany ireny. Nilavo lefona ireto farany rehefa tratry ny angaredona. Niseho sehatra avokoa ny tavan’ny mpanao politika avo lenta tamin’ireny fotoana ireny. Tsy niala tamin’ity filoha ity koa ny vahoaka tamin’ireny fotoana ireny, ka nanjohy azy hatrany. Tsy hadino ny endrika miramirana rehefa nahazo ny kianjan’ny 13 mey ny vahoaka notarihany. Ny mpanohitra ny fitondran-dRatsiraka no anisan’ny nahazo seza teo amin’ity kianjan’ny tolona ity. Teo dia efa voatombatombana ny fizarana seza, ary dia nanome fahafaham-po ny ekipan-dRavalo. Tsy maina akory anefa ny ravina nihinanana dia tonga amin’ny tsotsorimamba nisarahana. Raikitra ny ankisambotsambotra.

Manefa ny saziny avokoa ireo gadra politika voasambotra amin’izao fotoana izao. Tsy hita izay nanenjehana ny ekipan-dRatsiraka ka niafara tamin’ny fisamborana ny namana niara-nitolona. Naka toerana tsikelikely ny zazavaon’ny politika. Ankehitriny dia toa iniana tsy tsaroana ireny satria nirakitra tantara nampalahelo. Voahilika hatramin’ireo mpitolona nanao vy very ny ainy, nametrahana fitondrana vaovao.

Amin’izao fotoana izao dia tsy misy olom-baovao ao amin’ny fitondrana fa saika ireo ekipan-dRatsiraka sy Ravalo ihany. Hadino ireo namoy havana, sy ireo nitondra takaitra mandrampahafaty.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS