Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 20h12
 

Malagasy

Fanafihana mitam-basy

Jiolahy roa no maty voatifitra

jeudi 6 mars 2008 |  530 visites  | Hery A.

Nirefodrefotra ny feom-basy. Jiolahy roa indray no lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina.

Tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso an-tariby ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborin-tany faha 5, nanambara fa misy jiolahy nanafika trano fivarotana mpamongady iray eny Namontana Anosibe. Nihetsika ny polisy, niaraka tamin’ny GIR ka namefy ny làlana manodidina ity fokontany ity. Nandeha fiara karetsaka 2 CV anefa ireo jiolahy, ka nosakanan’ny polisy teny amin’ny arabe, raha mbola nifampitady tany anaty tanàna tany ny polisy sasany. Ireo jiolahy nenjehina mihitsy anefa no tao anatin’ilay fiarakaretsaka. Navoakan’ny polisy ry zalahy saingy namoaka basy ka ny an’ny polisy no tonga aloha. Voatifitra ity jiolahy nitam-basy ka maty teo no eo. Nikasa handositra koa ny namany ka voatifitra ary maty ihany koa.

Vola Ar. 75000, firavaka volamena isan-karazany, « baffles » 4, « logiciel uversaline 2007 », « chaîne » iray, finday ary entana samihafa no lasan’ireto jiolahy. Sarona tany amin’izy ireo moa ny basy poleta iray sy fonosana rongony. Tafaverina amin’ny tompony avokoa moa ny entana rehetra. Nomarihan’ny polisim-pirenena fa jiolahy avy nanefa sazy teny Tsiafahy ny iray tamin’ireto jiolahy ireto. Toerana anisan’ny anjakan’ny asan-jiolahy ny eny amin’ny faritra Anosibe eny, tato ho ato. Andro vitsy lasa izay no tsy namelan’ny polisy niriariavan’ireo jiolahy. Teo am-pifohana rongony, alohan’ny hanafihany no sarona hatrany ireo jiolahy. Matetika ihany koa no handraisana azy ireny amin’ity faritra ity, izay toerana faran’ny mafana eto an-drenivohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS