Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 14h11
 

Malagasy

Mpampianatry ny FRAM

Tsy nandray karama 3 volana

samedi 31 mai 2008 |  277 visites  | Hery A.

Telo volana izay no tsy nandray ny tambi-karamany ireo mpampianatra karamain’ny FRAM, amin’ny EPP sasany eto an-drenivohitra. Ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana ity tsy azo hatramin’izao ity, ka raha araka ny nambaran’ireo mpanabe dia ar 60000 isam-bolana ilay vola. Mbola ireto mpanabe ireto ihany koa anefa ilay tsy nandray ny tambikaramany tamin’ny fitsarana fanadinana BEPC tamin’ny taon-dasa, hatramin’izao.
Angamba, hoy ireo mpanabe, tsy avy amin’ny fisolosoloan’ny minisitra loatra no antony satria zavatra efa vonona io fa tsy mitaky fanapahan-kevitry ny minisitra vaovao.

Etsy andaniny anefa dia misy olona malaza ho mahay mamoaka ireny vola ireny ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana ao. Maro mantsy ireo mpampianatra any ambanivohitra any no mahafantatra io olona miasa ao Anosy io. Tany am-boalohany, hoy ireo mpampianatra dia tena nahavita tokoa izy, fa amin’izao fotoana izao dia toa fisolokiana sisa no vitany ka hitakiany vola etsy sy eroa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS