Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 16h27
 

Teny zato, kabary arivo

Miara-mientana

samedi 24 mai 2008 |  594 visites  | Hery A.

Fahendrena sy fihavanana. Io no vokatry ny herimpon’ny artista malagasy, nahay nampangina ny endrika politika amin’ny fandraisana ny tarika Rossy. Maro mantsy no mety ho nalaim-panahy ka maniry loza, amin’ny hifikiran’ny resaka politika hiarahana amin’ny tarika Rossy. Olon-dehibe nifanaiky ny tenany sy ny filoha Ravalomanana, ary ny mpikarakara. Toa mety tokoa hatramin’izao. NY artista malagasy moa dia nametraka ny lanjan’ny maha kanto an’ireo fampisehoana nataon’ity tarika ity. Tsy azo odian-tsy hita rahateo ny famirapiratr’i Madagasikara entiny manerana izao tontolo izao. Arak’izany dia azo antoka fa ho mafimafy noho ny fampisehoana nisy hatramin’izay ny fitandroana ny filaminana anio eny Antsonjombe.

Marina fa fampitàna hafatra ny tononkira entin’itony mpanakanto itony ka tsy tokony hahataitra ny fiverenan’ireo tononkira somary manana endrika politika, ireny rahateo no anisan’ny ankafizin’ny maro azy. Na izany aza, dia anjaran’ny mpijery no manamafy izay fandriampahalemana izay ka tsy hinia hanangana korontana, ary tsy tokony hitondra zava-maranitra, eny fa na tavoahangy aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS