Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 21h50
 

Malagasy

Fanadinana CEPE 2008

Nanome tsodrano ny filoham-pirenena

samedi 14 juin 2008 |  435 visites  | Hery A.

Hafatra avy amin’ny filoham-pirenena malagasy no nampitain’ny praiminisitra Rabemananjara Charles, dia ny firarian-tsoa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahana amin’ny faha 16 jona izao. Ny EPP Anosibe no nofidian’ny governemanta nampitàna izany firariantsoa izany, omaly zoma maraina, ka tonga teny an-toerana ny tenany nanambara izany.

Miisa 400 mianadahy ireo mpianatry ny EPP Anosibe hiatrika ny fanadinana CEPE. Notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana entina hiatrika fanadinana ireo mpianatra miisa 400 ireo. Nanolotra « biscuit » mampatanjaka tamin’ny alalan’ny ONN ihany koa ireto delegasiona ireto. Voamarika fa « biscuit » misy vitamina sy kalsiôma no nozaraina, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny ONN amin’ny orinasa JB.

Ny mpianatry ny EPP moa dia miisa 2383 beazin’ny mpampianatra miisa 41 ka ny 13 no karamain’ny FRAM izay samy eo ambany fitarihan’ny talen’ny sekoly, ramatoa Razanamampionona Florine.

Ny kabarin’ny praiminisitra kosa no nahafantarana fa nitombo ny isan’ny ankizy hanala fanadinana CEPE manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity, izay mahatratra 448348, raha 368637 tamin’ny taona 2007. Kendrena hoy ny praiminisitra ny hiakaran’ny taham-pahafahana, raha 60% izany tamin’ny herintaona.

Fantatra ihany koa fa miisa 26840 ny mpianatra hiatrika CEPE eto amin’ny farimpiadidiampampianarana Antananarivo renivohitra. Miisa 21719 kosa ireo mpianatra hiatrika BEPC, eto Antananarivo ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS