Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 17h54
 

Malagasy

Port-Bergé

Sarona ny vola sandoka ar 3 tapitrisa mahery

vendredi 13 juin 2008 |  686 visites  | Hery A.

Lehilahy miisa 3 mpanao vola sandoka no saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny hotely iray ao Port-Bergé, tamin’ny alarobia lasa teo. Sarona tamin’izy 3 lahy ny fitaovana fanaovany ny vola sandoka, toy ny loko mena sy manga, alikaola ary fitaovana madinidinika samihafa. Vola sandoka ar 10.000, mitotaly
ar 3.138.000 no mbola tavela tamin’izy 3 lahy. Nanamafy ny maha jiolahy raindahiny azy ireto koa ny nahasaronana basy « PA » miisa 4 be izao, miaraka amin’ny bala mahafaty miisa 4.

Niaiky ny asa ratsy fanaony izy 3 lahy, ary araka ny fanadihadiana dia efa an-taonany maro no nanao io asa io ry zalahy. Azo antoka izany fa efa maro ny vola sandoka miparitaka any an-toerana. Maro mantsy no efa nahita ireto mpanao vola sandoka ireto nivezivezy tao Port-Bergé sy ny manodidina, saingy tamin’ity farany ity vao nisy sahy niantso mpitandro filaminana. Ny tompon’ny hotely nipetrahan-dry zalahy moa dia voalaza fa tsy nahalala na inona na inona, ary nandray azy ireo noho ny fandoavany vola ara-dalàna. Teo koa anefa ity tompon’ny hotely vao nijery ny volany ka nahatsikaritra fa nisy sandoka tokoa ireo vola tao aminy.

Omaly alakamisy no natolotra ny fitsarana izy 3 lahy ireto.
Heloka maro ny hiampangana azy ireto, ka raha ny lalàna voasoratra amin’ny vola malagasy dia manambara fa « helohin’ny lalàna hiasa anterivozona mandrampahafaty ny mpanao vola sandoka ». Mbola eo koa anefa ny fiampangana azy ireto noho ny fitazonany fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS